Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-12

1 Tamin'izany andro izany, dia nasain'i Heroda mpanjaka nosamborina mba hampahorina ny sasany anisan'ny Eglizy.

2 Nasainy novonoina tamin'ny sabatra Jakoba rahalahin'i Joany. 3 Nony hitany fa nankasitrahan'ny Jody izany, dia nasainy nosamborina koa Piera. Andron'ny Azima tamin'izay. 4 Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka nasainy hambenan'andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy; fa rahefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy. 5 Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera, dia tsy tapaka ny fivavahana nataon'ny Eglizy ho azy. 6 Tamin'ny alin'ny hamoahan'i Heroda azy, raha natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy i Piera, sady nifatotra tamin'ny rojo vy roa, ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran'ny tranomaizina,

7 dia indro nisy anjelin'ny Tompo sy fahazavana namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina; nanohina ny lanivoan'i Piera ilay anjely, namoha azy nanao hoe: Mitsangàna faingana; dia niala tamin'ny tànany ny rojo vy. 8 Ary hoy ilay anjely taminy: Ataovy ny fehin-kibonao, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany, ka hoy indray ity anjely: Tafio ny lambanao, ary manaraha ahy. 9 Dia nivoaka Piera ka nanaraka azy; tsy fantany ho tena zavatra anefa no nataon'ny anjely, fa nataony ho fahitana fotsiny izany. 10 Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga tao amin'ny vavahady vy, fidirana ao an-tanàna; nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo, dia nizotra tamin'ny làlana iray, vao nilaozan'ilay anjely tampoka izy. 11 Izay vao nahatsiaro fanahy Piera, ka nanao hoe: Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy tamin'ny tànan'i Heroda, sy ny fanampoizan'ny vahoaka Jody.

12 Dia nieritreritra kely izy aloha vao nankany an-tranon'i Maria renin'i Joany, izay atao hoe Marka; olona maro no tafavory nivavaka tao. 13 Nodoniny ny vavahady, dia nanatona hihaino ity ankizivavy anankiray atao hoe Rody. 14 Vao nahalala ny feon'i Piera io, dia nentin-kafaliana ka tsy ny vavahady no novohany, fa ny tao an-trano no nihazakazahany nilazana hoe: Ao am-bavahady ao Piera. 15 Dia hoy ireo taminy: Very saina hianao. Nefa nilaza marina dia marina izy fa izany tokoa; ka hoy izy ireo: anjeliny izany. 16 Tamin'izany mbola nandondona ihany Piera; nony namoha azy izy ireo ka nahita azy vao talanjona foana. 17 Nohofan'i Piera tànana izy ireo mba hangina, dia nitantarany ny namoahan'ny Tompo azy tao an-tranomaizina, sy nilaza hoe: Ambarao amin'i Jakoba sy amin'ny rahalahy izany. Rahefa izany dia lasa hankany amin'ny toeran-kafa izy. 18 Nony nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila nikaroka izay nanjavonan'i Piera. 19 Rahefa nampikarohin'i Heroda izy, ka tsy hitany, dia ny mpiambina no nadininy sy nasainy hovonoina. Taorian'izany dia niala tany Jodea izy ka nankany Sezarea, ary nitoetra tao.

20 Tezitra tamin'ny mponina any Tira sy Sidòna i Heroda fahizany. Koa nony efa nahazo an'i Blasta mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka ho sakaizany ry zareo ireo, dia niara-nanatona azy mba hangataka fihavanana taminy, satria ny tanin'i Heroda no niveloman'ny fireneny. 21 Nony tonga ny andro voatendry, nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana i Heroda niakanjo ny fanamian'ny mpanjaka, dia nikabary tamin'izy ireo. 22 Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon'andriamanitra izany, fa tsy mba feon'olombelona! 23 Niaraka tamin'izay, dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy, ka maty nohanin'ny kankana. 24 Tamin'izany dia nandroso niely ny tenin'ny Tompo, ka nahavokatra mpianatra maro hatrany. 25 Nony vita ny raharahan'i Barnabe sy Saoly tao Jerosalema, dia niverina tany Antiokia izy, ary nitondra an'i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1094