Ny Asan'ny Apostoly
Asa toko 12, 1-11
Ny nanafahan'ny Anjely an'i Piera tamin'ny tranomaizina - Ny nikapohan'Andriamanitra an'i Heroda.
1Tamin'izany andro izany, dia nasain'i Heroda mpanjaka nosamborina mba hampahorina ny sasany anisan'ny Eglizy. 2Nasainy novonoina tamin'ny sabatra Jakoba rahalahin'i Joany. 3Nony hitany fa nankasitrahan'ny Jody izany, dia nasainy nosamborina koa Piera. Andron'ny Azima tamin'izay. 4Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka nasainy hambenan'andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy; fa rahefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy. 5Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera, dia tsy tapaka ny fivavahana nataon'ny Eglizy ho azy.
6Tamin'ny alin'ny hamoahan'i Heroda azy, raha natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy i Piera, sady nifatotra tamin'ny rojo vy roa, ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran'ny tranomaizina, 7dia indro nisy anjelin'ny Tompo sy fahazavana namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina; nanohina ny lanivoan'i Piera ilay anjely, namoha azy nanao hoe: Mitsangàna faingana; dia niala tamin'ny tànany ny rojo vy. 8Ary hoy ilay anjely taminy: Ataovy ny fehin-kibonao, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany, ka hoy indray ity anjely: Tafio ny lambanao, ary manaraha ahy. 9Dia nivoaka Piera ka nanaraka azy; tsy fantany ho tena zavatra anefa no nataon'ny anjely, fa nataony ho fahitana fotsiny izany. 10Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga tao amin'ny vavahady vy, fidirana ao an-tanàna; nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo, dia nizotra tamin'ny làlana iray, vao nilaozan'ilay anjely tampoka izy.
11Izay vao nahatsiaro fanahy Piera, ka nanao hoe: Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy tamin'ny tànan'i Heroda, sy ny fanampoizan'ny vahoaka Jody. >