Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-13

1 Tao amin'ny Eglizy tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia Barnabe sy Simeona izay atao hoe Mainty, Lisiosa avy any Sirena, sy Manahena izay niolo-nono tamin'i Heroda Tetrarka, ary Saoly.

2 Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin'ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: Atokany ho ahy Saoly sy Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy. 3 Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tànana tamin'izy roa lahy, vao nandefa azy handeha. 4 Dia nirahin'ny Fanahy Masina Saoly sy Barnabe, ka lasa nankany Seleosia, mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra.

5 Nony tonga tany Salamina izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra tao amin'ny sinagogan'ny Jody; nentin'izy ireo hiaraka taminy koa i Joany ho mpanampy azy. 6 Ary rahefa nitety ny nosy manontolo izy ireo ka tonga tany Pafosy, dia nahita Jody anankiray atao hoe Barjeso, mpamoha angatra sy mpaminany sandoka, 7 izay nitoetra tao amin'ny governora Serjio Paoly lehilahy hendry. Nampanalain'ity governora i Barnabe sy Paoly, fa naniry handre ny tenin'Andriamanitra izy. 8 Nefa nanohitra azy roa lahy Elimasy ilay mpamoha angatra (fa izany no dikan'ny anarany), ka nitady hisakana ny governora tsy hanaiky ny finoana. 9 Tamin'izay dia feno ny Fanahy Masina i Saoly, izay atao hoe koa Paoly, ka nibanjina azy, 10 sy nanao taminy hoe: Akay ry ilay feno fitaka sy hafetsen-dratsy ity, zanaky ny demony sy fahavalon'ny marina rehetra! Tsy hitsahatra ny hampivily ny làla-mahitsin'ny Tompo va ialahy? 11 Ary indro ankehitriny, hamely an'ialahy ny tànan'ny Tompo, ka ho jamba tsy hahita ny masoandro ialahy mandra-pahatongan'ny fotoana. Niaraka tamin'izay, dia nosaronan'ny aizim-pito izy, ka nikorapaka nitady olona hitantana azy. 12 Nony nahita izany ny governora, dia talanjona ka nino ny fampianaran'ny Tompo. 13 Dia niondrana an-tsambo tao Pafosy Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perjy any Panfilia; ary nisaraka tamin'izy ireo teo i Joany, ka lasa niverina tany Jerosalema.

14 Fa izy ireo kosa niala tany Perjy, dia tonga tany Antiokia any Pisidia, ary niditra tao amin'ny sinagoga izy tamin'ny andro sabata, ka nipetraka teo. 15 Nony vita ny famakiana ny bokin'ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin'izy ireo ny lehiben'ny sinagoga nanao hoe: Ry rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin'ny olona. 16 Dia nitsangana Paoly, nanofa tànana azy hangina, ka nanao hoe: Mihainoa, ry Israelita, sy hianareo izay matahotra an'Andriamanitra.

17 Ny Andriamanitr'izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika, sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin'ny sandry mahery no nanesorany azy tao. 18 Namelona azy tokony ho efa-polo taona tany an'efitra izy, 19 ary nony efa nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanaana izy dia nanome ny faritanin'ireny ho fananany, 20 tokony ho dimam-polo sy efa-jato taona. Taorian'izany dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin'i Samoely mpaminany. 21 Nony afaka izany dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen'Andriamanitra an'i Saoly zanak'i Sisy, lehilahy avy amin'ny fokon'i Benjamina, naharitra efa-polo taona. 22 Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan'izy ireo,dia ilay nankatoaviny tamin'ny teny hoe: Efa hitako Davida zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitra-poko rehetra. 23 Avy tamin'ny taranany no namoahan'Andriamanitra an'i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an'Israely. 24 Talohan'ny nahatongavany anefa, dia Joany no nitory batemim-pibebahana tamin'ny vahoaka Israely rehetra; 25 ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian'i Joany, dia hoy izy: Tsy izaho no ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako izy, ka tsy mendrika ny hamaha ny kofehin-kapany akory aho. 26 Ry rahalahy taranak'i Abrahama, sy ireo matahotra an'Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin'izao famonjena izao,

27 satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala azy, ka nahatanteraka ny tenin'ny mpaminany izay vakìna isan-tsabata, tamin'ny nanamelohany azy; 28 ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana azy tamin'i Pilaty. 29 Tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba azy, vao nesoriny tamin'ny hazo izy, ka naleviny tao am-pasana. 30 Fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty. 31 Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema izy, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny vahoaka ankehitriny. 32 Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin'ny razantsika, 33 fa notanterahin'Andriamanitra tamintsika zanak'izy ireo izany, tamin'ny nananganany an'i Jesoa tamin'ny maty, araka izay voasoratra amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako hianao; izaho no niteraka anao androany. 34 Ary voalazany fa natsangany tamin'ny maty izy, ka tsy hiverina amin'ny lò intsony, tamin'ny teny hoe: Homeko anareo ny fanambinana nanomezan-toky an'i Davida; 35 ary tamin'ny teny hafa koa hoe: Tsy havelanao ho tratry ny lò ny Masinao. 36 Raha Davida aloha, dia nody mandry izy rahefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra tamin'ny androny, ka nakambana tamin'ny razany, sy tratry ny lò; 37 fa izay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty no tsy tratry ny lò. 38 Aoka ho fantatrareo àry, ry rahalahy, fa izy ihany no itoriana famelan-keloka aminareo, ary ny ota rehetra tsy nahazoanareo fanamarinana tamin'ny Lalàn'i Moizy,

39 dia ao aminy no anamarinana an'izay rehetra mino mba ho afaka amin'izany. 40 Koa mitandrema hianareo fandrao dia iharan'izay voalazan'ny mpaminany hoe: 41 Mihevera, ry mpamotsifotsy, ka migagà sy levòna hianareo; fa izaho hanao zavatra anankiray amin'ny andronareo, dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza. 42 Nony nivoaka izy ireo, dia nangatahany mba hilaza izany teny izany indray amin'ny sabata manaraka.

43 Rahefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny proselita nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabe, ary izy roa lahy kosa niresaka tamin'izy ireo sy namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 44 Tamin'ny sabata nanaraka, dia saika tafangona hihaino ny tenin'Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra. 45 Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain'i Paoly no nanevateva azy. 46 Tamin'izay Paoly sy Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho hianareo mandà azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin'ny jentily izahay. 47 Fa toy izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nantsangako ho fahazavan'ny jentily hianao, mba hitondra famonjena hatramin'ny fara vazan-tany. 48 Faly ny jentily nony nandre izany, ka nankalaza ny tenin'ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay. 49 Dia niely eran'izany tany izany ny tenin'ny Tompo.

50 Nefa notarihin'ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin'ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an'i Paoly sy Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin'ny taniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0978