Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-15

1 Ary nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny Lalàn'i Moizy hianareo, dia tsy ho voavonjy.

2 Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin'ireo Paoly sy Barnabe, dia izao no hevitra nifanarahana: hiara-miakatra any Jerosalema Paoly sy Barnabe, ary ny sasany amin'izy an-daniny, handinika amin'ny Apostoly sy ny Pretra ilay zavatra niadiny hevitra. 3 Dia naterin'ny fiangonana teny ho eny izy ireo, vao nanohy ny diany namaky an'i Fenisia sy Samaria, nitantara ny nibebahan'ny jentily, ka nahafaly indrindra ny rahalahy rehetra izany. 4 Nony tonga tany Jerosalema izy ireo, dia noraisin'ny Eglizy sy ny Apostoly mbamin'ny Pretra, ary nilaza ny zava-dehibe nataon'Andriamanitra taminy. 5 Fa mba nitsangana kosa ny mpino sasany tariky ny Farisiana, ka nanao hoe: Tsy maintsy hoforana ny jentily, sy didiana hanaraka ny Lalàn'i Moizy. 6 Dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba handinika izany raharaha izany,

7 ka niady hevitra mafy naharitra ela; fa nitsangana Piera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa efa ela izay no nifidianan'Andriamanitra ahy teto aminareo mba handrenesan'ny jentily amin'ny vavako ny tenin'ny Evanjely sy hinoany. 8 Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo, dia naneho ny fankasitrahany azy ireo tamin'ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa; 9 nataony tsy nisy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin'ny finoana ny fony. 10 Koa nahoana àry no maka fanahy an'Andriamanitra hianareo izao, ka manisy jioga amin'ny vozon'ny mpianatra, nefa samy tsy nahazaka izany na isika na ny razantsika? 11 Fa noho ny fahasoavan'i Jesoa Tompo ihany no inoantsika hahazoana famonjena, tahaka ny azy ireo ihany koa. 12 Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an'i Barnabe sy Paoly nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentily. 13 Nony nitsahatra ny tenin'izy roa lahy, dia namaly Jakoba nanao hoe: Ry rahalahy, henoy aho.

14 Ny amin'ny namangian'Andriamanitra ny jentily aloha, mba hangalany vahoaka hanaja ny anarany amin'izy ireo, dia efa voatantaran'i Simona. 15 Ary mifanaraka amin'izany koa ny tenin'ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe: 16 Rahefa afaka izany, dia hiverina aho, ka haoriko indray ny tranon'i Davida izay efa nianjera; hamboariko izay rava, dia hantsangako indray izy, 17 mba hitady ny Tompo ny olona sisa mbamin'ny jentily rehetra izay niantsoana ny anarako, hoy ny Tompo, 18 izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatrizay hatrizay izany. 19 Koa amin'izany, izao no hevitro: tsy mety ny manome fahasahiranana ny jentily izay manatona an'Andriamanitra, 20 fa aoka hampitondrana taratasy izy ireo mba hifady ny hena natolotra tamin'ny sampy, sy ny fijangajangana, ary ny biby nokendaina, mbamin'ny rà. 21 Fa hatramin'ny taranaka mifanesy hatry ny ela dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra Moizy, satria vakina ao amin'ny sinagoga isan-tsabata ny teniny. 22 Nankasitrahan'ny Apostoly sy ny Pretra mbamin'ny Eglizy rehetra izany ; ka nifidy ny sasany tamin'izy rehetra izy ireo, mba hirahina ho any Antiokia hiaraka amin'i Paoly sy Barnabe: dia Joda izay atao hoe Barsabasy, sy Silasy, lehilahy lohandohany tao amin'ny rahalahy, no laniny.

23 Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo: Ny Apostoly sy ny Pretra ary ny rahalahy avy miarahaba ny rahalahy any amin'ny jentily, izay any Antiokia sy Siria ary Silisia. 24 Noho ny nandrenesanay fa misy olona avy taty aminay, izay tsy nahazo teny taminay velively, nampitabataba anareo tamin'ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo, 25 dia nivory izahay rehetra, ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo, hiaraka amin'i Barnabe sy Paoly malalanay, 26 lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 27 Koa indreny i Joda sy Silasy nirahinay hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo. 28 Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo, afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao: 29 dia ny hifadianareo ny hena natolotra tamin'ny sampy, sy ny rà, ary ny biby nokendaina, mbamin'ny fijangajangana; soa ho anareo ny mifady an'izany. Veloma. 30 Dia nalefany izy ireo ka lasa nankany Antiokia; ary namory ny olona sy nanolotra ny taratasy tamin'izy ireo.

31 Nony namaky izany ny olona, dia nifaly avokoa noho ny fanalana alahelo tao anatiny. 32 Joda sy Silasy, izay mpaminany koa, nanao teny maro mba hanafaka alahelo ny rahalahy sy hankahery fo azy ireo. 33 Nony nitoetra teo elaela ihany izy ireo, dia nampandehanin'ny rahalahy soa aman-tsara ho any amin'izay naniraka azy. 34 Mbola nankasitraka ny hijanona anefa i Silasy, ka dia Joda irery no niverina tany Jerosalema. 35 Ary Paoly sy Barnabe kosa nitoetra tany Antiokia, ka nampianatra sy nitory ny tenin'ny Tompo niaraka tamin'ny namany maromaro. 36 Nony afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabe: Andeha indray isika hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.

37 Ary Barnabe moa nikasa hitondra an'i Joany, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. 38 Fa Paoly kosa nangataka ny tsy hitondra an'io, satria efa nandao azy ireo tany Panfilia io fa tsy niara-niasa taminy. 39 Dia nifanditra mafy izy roa lahy, any ka tafasaraka terý: Barnabe moa nitondra an'i Marka, dia niondrana an-tsambo hankany Sipra izy roa lahy. 40 Fa Paoly kosa nifidy an'i Silasy, dia lasa, rahefa natolotry ny rahalahy ho entin'ny fahasoavan'ny Tompo. 41 Namaky an'i Siria sy Silisia izy, nankahery fo ny Eglizy rehetra, dia nandidy azy hitandrina ny didin'ny Apostoly sy ny Pretran'ny Eglizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1072