Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-16

1 Dia tonga tany Derbe sy Listra izy, ary indro nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timote, zanaky ny vehivavy jody sady mpino, fa ny rainy no jentily.

2 Tsara laza tamin'ny rahalahy tao Listra sy Ikonioma izy, 3 ka tian'i Paoly hoentina miaraka aminy; dia nalainy izy ka noforany, noho ny Jody izay nitoetra tamin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentily ny rainy. 4 Ary raha nitety ny tanàna izy ireo, dia nasainy hotandreman'ny olona ny didy navoaky ny Apostoly sy ny Pretra tany Jerosalema. 5 Koa sady nitombo finoana ny Eglizy rehetra no nihamaro isa isan'andro. 6 Nony avy nitety an'i Frijia sy Galatia izy ireo, dia noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin'Andriamanitra any Asia.

7 Efa tonga tany Mizia izy, sy efa niomana ho any Bitinia, nefa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesoa, 8 ka nandalo faingana an'i Mizia, dia lasa nankany Troasy. 9 Nony alina, nahita tsindrimandry Paoly: indro nisy lehilahy anankiray nitsangana teo anatrehany, ka nihanta taminy nanao hoe: Mità mankatý Masedonia, ka vonjeo izahay. 10 Ary rahefa nahita izany izy, dia nitady hankany Masedonia haingana izahay, satria nahalala marina fa nantsoin'Andriamanitra hitory ny Evanjely amin'ny olona any. 11 Koa dia niondrana an-tsambo tany Troasy izahay, ka nizotra nankany Samotrasy, ary ny ampitso dia nankany Neapolisy.

12 Nony niala teo izahay dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany fari-tanin'i Masedonia izany, sy zana-tany romana. Nampianatra andro vitsivitsy tamin'izany tanàna izany izahay. 13 Ary tamin'ny andro sabata, dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay, ka nankeny amoron'ny ony, fa nataonay ho any no toerana fivavahana; nipetraka teo izahay dia niresaka tamin'ny vehivavy izay tafavory teo. 14 Nisy vehivavy anankiray tamin'izy ireo atao hoe Lidia mpivaro-jaky, avy any an-tanàna Tiatira, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; nihaino anay izy, ary nosokafan'Andriamanitra ny fony mba hitandrina izay nolazain'i Paoly. 15 Ary rahefa vita batemy izy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: Raha mba ataonareo ho mpanompon'Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao. Nanaovany lemozy mihitsy izahay. 16 Indray andro raha nandeha hivavaka izahay, dia nifanena tamin'ny ankizivavin'olona anankiray izay notsindriam-panahy maminany, ka nampahazo harena be ny tompony tamin'ny faminaniana nataony.

17 Rafitra nanaraka anay sy Paoly izy io, sady niantso hoe: Ireto lehilahy ireto no mpanompon'Andriamanitra Avo indrindra, izay hanoro anareo ny làlam-pamonjena. 18 Andro maro no nanaovany toy izany, ka sosotra i Paoly sy nitodika tamin'ny fanahy nanao hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka niaraka tamin'izay izy. 19 Nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazo harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ireo, ka nitondra azy tany amin'ny fitsarana any amin'ny lehibe. 20 Ary nony efa nanolotra azy tamin'ny mpitsara izy ireo, dia nanao hoe: Mampitabataba ny tanànantsika loatra ireto lehilahy ireto; 21 Jody izy ireo ary mampianatra fanao tsy azontsika raisina na arahina velively, noho ny maha-Romana antsika. 22 Niaraka tamin'izay dia nirohotra hamely azy ny vahoaka; nasain'ny mpitsara nendahana ny lambany vao handalasina amin'ny hazo izy ireo. 23 Ary rahefa naratra be ihany izy, dia nataony an-tranomaizina, ka nasainy hambenan'ny mpiambina mafy. 24 Nony nahazo teny toy izany ny mpiambina, dia nampiditra azy tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra, sy nangia ny tongony tamin'ny bolaky hazo. 25 Rahefa tokony ho nisasaka ny alina, dia nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy, ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.

26 Niaraka tamin'izay dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy, nanozongozona ny trano hatrany am-potony, ka nivoha tampoka ny varavarana rehetra, ary nivaha daholo ny fatoran'izy rehetra. 27 Taitra tamin'izay ny mpiambina ny tranomaizina, ka nony nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha izy, dia nanatsoaka ny sabany ndeha hamono tena, satria nataony ho nitsoaka nandositra ny mpifatotra. 28 Fa niantso tamin'ny feo mahery Paoly nanao hoe: Aza mamono tena foana, fa eto daholo ihany izahay rehetra. 29 Dia nangataka jiro ny mpiambina, ka niditra faingana sady nangovitra niankohoka teo an-tongotr'i Paoly sy Silasy. 30 Nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no tokony hataoko mba ho voavonjy aho? 31 Ary hoy ny navalin'izy roa lahy: Minoa an'i Jesoa Tompo, dia ho voavonjy hianao sy ny ankohonanao. 32 Dia nilazan'izy roa lahy ny tenin'ny Tompo izy sy izay rehetra tao an-tranony. 33 Iny alina iny ihany, dia nitondra azy roa lahy izy, ka nanasa ny feriny; ary tamin'izay ora izay ihany dia natao batemy izy, sy ny tao an-tranony rehetra. 34 Dia nentiny nankao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany hanina, ary nifaly izy mianakavy rehetra, satria efa nino an'Andriamanitra. 35 Nony maraina ny andro, nirahin-dry zareo lehibe ny mpitan-defona nanao hoe: Alefaso ireo lehilahy ireo.

36 Dia nolazain'ny mpiambina ny tranomaizina tamin'i Paoly izany teny izany. Naniraka handefa anareo ny lehibe, hoy izy, koa mivoaha ankehitriny, ary mandehana soa aman-tsara. 37 Fa hoy Paoly taminy: Lehilahy Romana izahay, nefa sady nokapohina ampahibemaso tsy voatsara no natao an-tranomaizina koa indray, ka dia ho azony havoaka an-tsokosoko fotsiny izao ve? Tsy azo atao izany, fa aoka ny tenany no hankatý handefa anay. 38 Dia nolazain'ny mpitan-defona tamin'ny lehibe izany teny izany, ka natahotra izy ireo nony nandre fa hoe Romana izy roa lahy. 39 Dia tonga tokoa izy ireo, ka nifona taminy mba hivoaka, sy niangavy taminy mba hiala amin'ny tanàna. 40 Nony avy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon'i Lidia; ary rahefa nahita sy nanafaka alahelo ny rahalahiny izy, dia lasa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1409