Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-18

1 Taorian'izany, dia niala tao Atena Paoly ka nankany Korinta.

2 Avy tao izy dia nahita Jody anankiray atao hoe Akilasy teraka tany Ponta, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin'i Prisila vadiny fa nodidian'i Klaody hiala tany Roma ny Jody rehetra, ka nanatona azy mivady. 3 Iray raharaha taminy izy, fa ny manao lay no raharahany, ka dia nitoetra niasa tao izy. 4 Nampianatra isan-tsabata izy tao amin'ny sinagoga ary nampanaiky ny Jody sy ny jentily. 5 Nony tonga avy tany Masedonia Silasy sy Timote, dia nahery nitory teny Paoly, ka nanamarina tamin'ny Jody fa Jesoa no Kristy. 6 Ary noho izy notoherin'ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin'ireo: Aoka ho eo amin'ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin'izao dia any amin'ny jentily no halehako.

7 Nony niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny olona anankiray atao hoe Tito ilay Marina; lehilahy natahotra an'Andriamanitra izy io, ary nifanolotra tamin'ny sinagoga ny tranony. 8 Ary nino ny Tompo i Krisposa lehiben'ny sinagoga mbamin'ny ankohonany rehetra; ka nisy maro ny tao Korinta no nino sy natao batemy koa, nony efa nihaino an'i Paoly. 9 Indray alina, dia hoy ny Tompo tamin'i Paoly tamin'ny tsindrimandry: Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina. 10 Satria momba anao aho ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao, sady be ny vahoakako amin'ity tanàna ity. 11 Dia nitoetra tao herintaona sy enim-bolana izy, nampianatra ny tenin'Andriamanitra tao. 12 Ary nony Galiona no governora tao Akaia, dia niray tetika hamely an'i Paoly ny Jody, ary nitondra azy teo amin'ny fitsarana,

13 ka nanao hoe: Ilay ity mitaona ny olona hanaraka fombam-pivavahana mifanohitra amin'ny Lalàna. 14 Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly, dia hoy Galiona tamin'ny Jody: Ry Jody, ny amin'ny ratsy natao, na ady heloka no ihainoako ny fitorianareo; 15 fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa, raharahanareo izany, ka tsy te-hitsara an'izany aho. 16 Dia noroahiny hiala teo amin'ny fitsarana izy ireo. 17 Tamin'izay dia nosamborin'izy rehetra Sostena lehiben'ny sinagoga, ka nokapohiny teo anoloan'ny fitsarana; fa tsy nahoan'i Galiona akory izany. 18 Mbola nitoetra tao Korinta andro maromaro ihany Paoly, vao nanao veloma ny rahalahy, ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin'i Prisila sy Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volon-dohany, fa nisy voady nataony.

19 Tonga tany Efezy izy ireo, dia nandao azy mivady Paoly, ka niditra tao amin'ny sinagoga, niady hevitra tamin'ny Jody. 20 Nangataka azy hitoetra elaela kokoa izy ireo, nefa tsy nety izy, 21 fa nanao veloma azy ireo nanao hoe: Mbola hiverina atý aminareo ihany aho raha sitrak'Andriamanitra; dia niala tao Efezy izy, 22 ka rahefa tafatody tany Sezarea izy dia niakatra tany Jerosalema, niarahaba ny Eglizy, vao nidina nankany Antiokia. 23 Ary nony nitoetra kelikely tao izy, dia lasa nitety ny tany Galatia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra. 24 Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apolo tonga tao Efezy; teraka tany Aleksandria izy io, ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina.

25 Efa nianatra ny làlan'ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-pò, ka nampianatra tsara ny amin'i Jesoa, na dia ny batemin'i Joany ihany aza no fantany. 26 Niteny tamin-kasahiana teo amin'ny sinagoga izy, ka nony ren'i Prisila sy Akilasy, dia nalainy hankeo aminy, nampianariny tsaratsara kokoa ny làlan'ny Tompo. 27 Naniry hankany Akaia izy, ka nankasitrahan'ny rahalahy izany, dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan'ny any azy tsara. Nony tonga tany izy, dia nahavita soa be tamin'izay efa nino noho ny fahasoavana. 28 Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy, nampiharihary tamin'ny Soratra Masina fa Jesoa no Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.121