Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Asan'ny Apostoly

Asa toko 2
Ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apostoly - Ny toriteny voalohany nataon'i Piera - Olona telo arivo no natao batemy - Ny toe-piainan'ny kristianina voalohany.

       1Nony tonga ny andron'ny Pentekoty, dia tafavory tao amin'ny trano anankiray izy rehetra, 2ary tampoka, inay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany, 3sady nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teny amboniny tsirairay avy, 4ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin'ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy avy.
       5Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra. 6Nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra. 7Gaga sy talanjona izy ireo ka vaky nanao hoe: Adre! tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo? 8Ka ahoana àry ity isika no samy mandre azy miteny ny fitenin-drazantsika avy; 9dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita, sy ny mponina any Mesopotamia, Jodea, Kapadosa, Ponto, Asia, 10Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin'i Sirena, sy ny vahiny avy any Roma, 11na Jody na proselita, ary ny any Kreta sy ny Arabo, dia ahoana no samy mandre azy ireo milaza amin'ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga ataon'Andriamanitra isika rehetra? 12Zendana foana izy rehetra fa tsy nahita izay antony, ka nifampilaza hoe: Inona re no hevitr'izao e? 13Fa ny sasany kosa naneso nilaza hoe: Mamon-divay vaovao ry zareo.
       14Tamin'izay, dia nitsangana niaraka tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Piera ka nanao antso avo tamin'ireo hoe: Ry Jody sy hianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin'ny teniko. 15Tsy mamo araka ny hevitrareo akory ireo olona ireo, fa vao amin'ny ora fahatelo ihany izao ny andro. 16Fa izao hitanareo izao no ilay nambaran'ny mpaminany Joely hoe: 17Amin'ny andro farany, hoy ny Tompo, dia handrotsahako amin'ny nofo rehetra ny Fanahiko, ka hahita tsindrimandry ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hanonofy ny antidahinareo; 18eny, amin'izany andro izany dia handrotsahako amin'ny mpanompoko ny Fanahiko, ka haminany izy ireo na lahy na vavy. 19Hampiseho fahagagana eny amin'ny habakabaka ambony aho, sy famantarana etý amin'ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka. 20Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan'ny hahatongavan'ny andron'ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza; 21ary na iza na iza no hiantso ny anaran'ny Tompo amin'izay, dia ho voavonjy.
       22Ry lehilahy Israelita, henoy izao teny izao: Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin'Andriamanitra teo imasonareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo, 23dia natolotra araka ny lahatr'Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin'ny hazo fijaliana sy novonoinareo tamin'ny tànan'ny ratsy fanahy; 24fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty sy nahafaka azy tamin'ny fatoran'ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan'izany azy, 25araka ny voalazan'i Davida ny aminy hoe: Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho, satria eo an-kavanako izy mba tsy hihozongozona aho. 26Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny nofoko hitombina amin'ny fanantenana, 27fa tsy ho foinao ao amin'ny fitoeran'ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lò ny Masinao. 28Nampahafantatra ahy ny làlan'aina hianao, ary nameno hafaliana ahy amin'ny fampisehoana ny tavanao amiko. 29Ry rahalahy, aoka holazaiko marimarina aminareo fa ny amin'i Davida razantsika dia efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.
       30Fa noho ny maha-mpaminany azy, sy noho ny fahalalany ny teny napetrak'Andriamanitra taminy tamim-pianianana fa anankiray amin'ny taranany no hapetrany handimby azy amin'ny fanjakany, 31dia ny fitsanganan'ny Kristy amin'ny maty izay efa tsinjony mialoha no nilazany fa tsy ho foiny ao amin'ny fitoeran'ny maty izy, ary ny nofony tsy ho tratry ny lò. 32Izany Jesoa izany no natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay rehetra; 33ary nony efa nakarin'ny tànana an-kavanan'Andriamanitra izy sy efa nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina nampanantenaina, dia nampidina izany Fanahy izany, araka izao hitanareo sy renareo izao. 34Fa Davida tsy niakatra any an-danitra; nefa tenany no nilaza hoe: Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-kavanako, 35ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. 36Koa amin'izany àry, aoka ho fantatry ny taranak'Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin'ny hazo fijaliana iny, no nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
       37Voatsindron'izany teny izany ny fon'ny olona, ka hoy izy tamin'i Piera sy ireo Apostoly namany: Inona àry, ry rahalahy, no hataonay? 38Dia hoy Piera tamin'izy ireo: Mibebaha, ary aoka samy hatao batemy amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy hianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo. 39Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an'ny zanakareo, ary ho an'izay rehetra any lavitra any, rahefa mety ho nantsoin'ny Tompo Andriamanitsika koa. 40Ary nanambara sy namporisika azy tamin'ny teny maro hafa koa izy nanao hoe: Vonjeo ny tenanareo mba ho afaka amin'ity taranaka ratsy ity. 41Dia natao batemy izay nandray tsara ny teniny, ka niampy tokony ho telo arivo ny isan'ny mpianatra tamin'izany andro izany.
       42Ary nazoto izy ireo tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin'ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra. 43Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon'ny Apostoly tao Jerosalema, ka raiki-tahotra ny olona rehetra. 44Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra, 45sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarazarainy tamin'izy rehetra, araka izay nilainy avy. 46Nazoto niara-nankao amin'ny tempoly isan'andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, 47niara-nidera an'Andriamanitra sady tsara laza tamin'ny vahoaka rehetra. Ary nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'izy ireo ny olom-bonjena. >