Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-20

1 Nony nitsahatra ny tabataba, namory ny mpianatra Paoly, ka nananatra azy, sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Masedonia.

2 Nitety izany faritany izany izy, namporisika ny olona tamin'ny teny maro, dia lasa nankany Gresa. 3 Nitoetra telo volana tao izy, dia niomana hiondrana an-tsambo hankany Siria, kanjo nikendry azy ny Jody, ka nanapa-kevitra izy fa hamaky an'i Masedonia. 4 Ary ireto no niaraka taminy hatrany Asia: Sopatera zanak'i Pirosa avy any Berea, Aristarka sy Sekondosa avy any Tesalonika, Gaiosa avy any Derbe, ary Timpote sy Tisika sy Tromfima avy any Asia. 5 Dia nialoha izy ireo, ka niandry anay tany Troasy. 6 Fa izahay kosa niondrana an-tsambo, niala tao Filipy taorian'ny andron'ny Azima, ka hadimiana vao tonga tany amin'izy ireo tany Troasy; dia nitoetra tao hafitoana izahay. 7 Ary tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, raha niangona hamaky ny mofo izahay, dia nampianatra azy ireo Paoly, ka nanohy ny toriteniny hatramin'ny misasaka alina, fa nikasa handeha maraina.

8 Jiro maro no tao amin'ny efitra ambony niangonanay. 9 Nisy kosa tovolahy anankiray izay atao hoe Eotika, nipetraka teo am-baravarankely; sondrian-tory mafy izy io, fa naharitra ela ny toritenin'i Paoly, ka nirona izy, dia nidaboka tany ambany avy amin'ny rihana fahatelo; nony narenina izy, dia indro fa efa maty. 10 Nidina namonjy azy Paoly, dia niondrika teo amboniny, sy nanohona azy, ary nanao hoe: Aza manana ahiahy hianareo, fa mbola misy aina ihany izy. 11 Dia niakatra indray Paoly, namaky ny mofo sy nihinana, ary niresaka ambara-pahamarain'ny andro, vao lasa nandeha. 12 Ilay tovolahy tamin'izay dia efa velona ka nentin'izy ireo nody tamin-kafaliana lehibe. 13 Izahay kosa dia niondrana an-tsambo, nialoha nankany Asosa, fa eo no handraisanay an'i Paoly araka ny teny nomeny, satria nandeha an-tanety izy.

14 Nony tafahoana taminay tany Asosa izy, dia noraisinay, ka lasa nankany Mitilena izahay. 15 Niondrana an-tsambo avy eo izahay, dia tonga tandrifin'i Kiao ny ampitso, ary nitody tao Samosy ny ampitson'izay, vao tonga tany Mileto ny ampitson'iny indray. 16 Ny handalo fotsiny fa tsy hijanona ao Efezy no efa nokendren'i Paoly mba tsy hitoerany ela any Asia: satria maika hamonjy ny andron'ny Pentekoty any Jerosalema izy raha zao atao. 17 Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an'ireo Pretran'ny Fiangonana.

18 Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo hatrany hatrany; 19 fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren'ny Jody ahy. 20 Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo am-pahibemaso sy isan-trano. 21 Nambarako tamin'ny Jody sy tamin'ny jentily ny fanatonana an'Andriamanitra amin'ny fibebahana sy ny finoana an'i Jesoa Tompontsika. 22 Ary ankehitriny indro teren'ny Fanahy hankany Jerosalema aho; nefa tsy fantatra izay hanjo ahy any. 23 Izao ihany no ambaran'ny Fanahy Masina amiko isan-tanàna isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy. 24 Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rahefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin'i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 25 Eny iký, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan'Andriamanitra! fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony hianareo rehetra.

26 Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny amin'ny ranareo rehetra aho, 27 satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitra-pon'Andriamanitra rehetra. 28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo Eglizin'ny Tompo izay novidiny tamin'ny rany. 29 Fantatro fa rahefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry. 30 Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy. 31 Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman'alina nananatra anareo tsirairay avy tamin-dranomaso! 32 Ary ankehitriny, ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny tenim-pahasoavany hianareo, dia amin'ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin'izay efa masina rehetra.

33 Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian'olona aho. 34 Fantatrareo fa ireto tànana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain'izay rehetra niaraka tamiko. 35 Nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa hianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin'i Jesoa Tompo manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. 36 Nony avy nilaza izany izy, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.

37 Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon'i Paoly ary nanoroka azy, 38 fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin'ny nilazany hoe: Tsy hahita ny tarehiko intsony hianareo. Dia nanatitra azy hatreny antsambo izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368