Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-24

1 Nony afaka hadimiana, dia tonga i Anania lehiben'ny mpisorona sy ny loholona sasany, ary mpandaha-teny anankiray atao hoe Tertolosa, hiampanga an'i Paoly amin'ny governora.

2 Nony nantsoina i Paoly, dia niampanga azy araka izao Tertolosa: Ry Félix tsara indrindra ô, ny fiadanana lehibe azonay taminao, sy ny fitondrana nanasoavanao ity firenena ity tamin'ny zavatra maro, 3 dia raisinay amim-pankasitrahana mandrakariva sy hatraiza hatraiza. 4 Fa mba tsy hanahiranako anao ela laotra, dia mihanta amin'ny hamoram-ponao izahay, mba henoy kely izao: 5 Io lehilahy io dia hitanay fa mpanimba vahoaka, mpampitabataba ny Jody rehetra amin'izao tontolo izao, filohan'ny antokon'ny Nazareana, 6 ary efa nitady hametaveta ny tempoly aza, ka dia io izy nosamborinay: Ny hitsara azy araka ny lalànay no nokasainay. 7 Kanjo tonga Lisiasy komandy naka azy an-keriny teo am-pelatànanay, 8 sy nandidy ny mpiampanga azy hankaty aminao. Ho hitanao amin'ny fanadinana azy fa marina ny zavatra rehetra iampangana azy. 9 Dia nanampy izany koa ny Jody, nilaza fa izany no izy. 10 Ary rahefa notondroin'ny governora hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa taona maro no efa nitondranao ity firenena ity, ka amin-toky no hitenenako hanala tsiny ny tenako.

11 Tsy mihoatra ny roa ambin'ny folo andro izao no niakarako hivavaka tany Jerosalema, sady azonao fantarina mora foana izany. 12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin'olona tao an-tempoly, na nampitabataba vahoaka tao amin'ny sinagoga, 13 na tao an-tanàna. Tsy azony hamarinina velively izao zavatra iampangany ahy izao. 14 Fa izao no ekeko eto anatrehanao: Izaho dia manompo ny Andriamanitry ny razanay, araka ny làlana lazain'izy ireo hoe antokom-pivavahana; mino ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny Lalàna sy ny mpaminany aho, 15 ary manantena amin'Andriamanitra tahaka azy ireo koa, fa samy hitsangana amin'ny maty, na ny olo-marina na ny olo-meloka, 16 ka noho izany dia nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin'ny fieritreretako, na eo anatrehan'Andriamanitra, na eo anatrehan'ny olombelona. 17 Nony afaka taona maro, dia tonga nitondra fiantrana ho an'ny fireneko aho, sy nanolotra fanatitra. 18 Tamin izay no nahitan'izy ireo ahy tao an-tempoly avy nandio tena, tsy nisy famoriam-bahoaka, na tabataba velively, 19 fa Jody sasany avy any Asia no teo, ka ireo aza no tokony hiseho eto anatrehanao hiampanga ahy, raha misy izay hiampangany ahy. 20 Na aoka ry zareo ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany nataoko, raha niseho teo anatrehan'ny Sanedrina aho; 21 afa-tsy raha hoe, heveriny ho heloka angaha ilay teny indraim-bava voalazako teo afovoan'izy ireo hoe: Ny amin'ny fitsanganana ny maty no hitsarana ahy eto anatrehanareo anio. 22 Fantatr'i Félix tsara ny amin'io làlana io, ka noravany ny olona nilazany hoe: Rahefa tonga Lisiasy komandy, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.

23 Dia nasainy nambenan'ny kapiteny i Paoly, nefa avela hiadanadana ihany, ary tsy rarana tsy hanampy azy ny momba azy na iray aza. 24 Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga Félix sy Crosila vadiny, izay vehivavy Jody, ka nampaka an'i Paoly, dia nihaino azy nitory ny finoana an'i Kristy Jesoa.

25 Nony nilaza ny amin'ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy Paoly, dia raiki-tahotra i Félix ka nanao hoe: Mandehana aloha, fa raha vao misy malalaka dia hampiantso anao indray aho. 26 Nanantena homen'i Paoly vola koa izy tamin'izany, ka nampiantso azy matetika sy niresaka taminy. 27 Nony afaka roa taona, dia nodiasan'i Porsios Festosa i Félix, ary noho izy te-hahazo sitraka tamin'ny Jody, dia navelany ho mpifatotra tao ihany i Paoly.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1963