Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Asan'ny Apostoly

Asa toko 25, 13b-21

       <13Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Sezarea Agripà mpanjaka sy Berenisy, hiarahaba an'i Festosa. 14Naharitra andro maromaro no nitoerany tao, ka nambaran'i Festosa tamin'ny mpanjaka ny amin'i Paoly. Hoy izy: Misy mpifatotra anankiray navelan'i Félix eto. 15Fony aho tany Jerosalema, dia nampangain'ny Jody tamiko izy io, sady nangatahiny hohelohina. 16Fa hoy ny navaliko azy ireo: Tsy fanaon'ny Romana ny manameloka olona raha tsy efa nifanatrika tamin'ny mpiampanga azy ny ampangaina, ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin'izay iampangana azy. 17Dia tonga tatý izy ireo, ka tsy nangataka andro akory aho, fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin'ny fitsarana sy nampaka ilay lehilahy. 18Nony nitsangana ry zareo mpiampanga, dia tsy heloka araka izay nampoiziko no nitoriany azy, 19fa ady hevitra momba ny fivavahany sy momba an'i Jesoa anankiray efa maty, nefa lazain'i Paoly hoe velona. 20Tsy hitako be ihany izay hamotorana izany zavatra izany, ka nanontany an-dralehilahy aho sao tiany ny hotsaraina any Jerosalema ny amin'izany. 21Dia nangataka hotsarain'ny emperora i Paoly, ka nasaiko nambenana mandra-pandefako azy any amin'i Sezara. >