Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Asan'ny Apostoly

Asa toko 4, 32-35

       <32Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra. 33Tamin-kery lehibe no nanamarinan'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesoa Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana be no teo amin'izy rehetra. 34Tsy nisy mahantra teo amin'izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin'izay lafo, 35ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apostoly, ka nozarazaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. >