Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-6

1 Tamin'izany andro izany rahefa nitombo ny isan'ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin'ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahina loatra tamin'ny fizarana ny fiantrana isan'andro ny mpitondratena tao aminy.

2 Ka novorin'ny roa ambin'ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe: Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin'Andriamanitra. 3 Koa amin'izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany; 4 ary izahay kosa hikely aina amin'ny fivavahana sy ny fitorian-teny. 5 Nankasitrahan'ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny Etiena lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, Filipo, Prokora, Nikanora, Timona, Parmenasy, ary Nikolà, proselita avy any Antiokia. 6 Narosony teo anatrehan'ny Apostoly izy ireo, ka nametrahany tànana nony efa vita ny fivavahana. 7 Dia niely ny tenin'Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana. 8 Ary feno fahasoavana sy herim-po Etiena, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe tao amin'ny vahoaka.

9 Fa ny sasany avy amin'ny sinagogan'ny Libertina, sy ny an'ny Sireneana sy ny Aleksandrina mbamin'ny Jody avy any Silisia sy Asia, dia nitsangana niady hevitra tamin'i Etiena, 10 ka nony tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany izy ireo, 11 dia namoky olona hilaza hoe: Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an'i Moizy sy Andriamanitra izy io. 12 Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna, ka niantoraka tamin'i Etiena sy nisambotra azy, ary nitondra azy tany amin'ny Sanedrina. 13 Dia nanangana vavolombelona tsy marina izy nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ny fitoerana masina sy ny Lalàna. 14 Efa renay nilaza izy fa ilay Jesoa avy any Nazareta, hono, dia handrava ity fitoerana ity, sy hanova ny fanao nomen'i Moizy antsika. 15 Ary raha nibanjina an'i Etiena ry zareo rehetra nipetraka tao amin'ny Sanedrina, dia hoatra ny anjely no fijeriny ny tarehiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0997