Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-7

1 Ary hoy ny mpisorona: Moa dia izany tokoa va?

2 Ka hoy ny navalin'i Etiena azy: Mihainoa hianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesopotamia Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Harana, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra, 3 ka nanao taminy hoe: Ilaozy ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin'ny tany izay hatoroko anao. 4 Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Haràna. Ary nony maty rainy, dia nasain'Andriamanitra hifindra amin'ity tany onenanareo ankehitriny ity izy. 5 Tsy mba nomeny lova teto izy, na dia tany iray dia aza; nefa kosa fony mbola tsy nanan-janaka akory izy, dia efa nampanantenainy fa nomeny ho lovan'izy sy ny taranany ity. 6 Izao no nolazain'Andriamanitra: Honina amin'ny tany hafa ny taranany, ary handevozina sy hampahorina efa-jato taona. 7 Nefa hotsaraiko, hoy ny Tompo, ny firenena izay hanandevo azy, ary rahefa izany dia hivoaka izy ka hanompo ahy amin'ity tany ity. 8 Dia nomeny fanekena amin'ny famorana Abrahama, ka nony niteraka an'i Isaaka dia namora azy tamin'ny andro fahavalo; Isaaka kosa niteraka sy namora an'i Jakoba, ary Jakoba an'ireo Patriarka roa ambin'ny folo lahy. 9 Ary ireo Patriarka nialona an'i Josefa ka namidiny ho any Ejipta izy; nefa nomban'Andriamanitra kosa.

10 Fa nesoriny tamin'ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahan'i Faraona mpanjakan'i Ejipta, sy natsangany ho mpanapaka an'i Ejipta, mbamin'izay rehetra tao an-dapany. 11 Tamin'izay dia nisy mosary eran'i Ejipta sy Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika. 12 Nony ren'i Jakoba fa nisy hanina tany Ejipta, dia naniraka ny razantsika ho any izy, voalohany izay. 13 Ary tamin'ny fanindroany dia fantatry ny rahalahiny Josefa, sady fantatr'i Faraona koa ny nihaviany. 14 Tamin'izay Josefa dia nampaka an'i Jakoba rainy, mbamin'ny mpianakaviny rehetra izay nisy olona dimy amby fito-polo. 15 Dia nidina tany Ejipta Jakoba, ka tany no nahafatesan'izy sy ny razantsika. 16 Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hemora tany Sikema. 17 Nony efa akaiky ny fotoana hahatanterahan'ny teny napetrak'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihabetsaka ny olona tany Ejipta,

18 mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany, izay tsy nahalala an'i Josefa. 19 Nanao hafetsen-dratsy tamin'ny firenentsika izany mpanjaka izany, ka nampahory ny razantsika tamin'ny famoretana azy hanary ny zaza vao teraka, mba tsy ho velona ireny. 20 Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i Moizy, izay tsara tarehy teo imason'Andriamanitra ka notezaina telo volana teo an-tranon-drainy aloha.

21 Ary nony nariana indray, dia nalain'ny zanakavavin'i Faraona, sy notezainy ho zanany izy, 22 ka nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny mponina any Ejipta, sy nahery tamin'ny teniny aman'asany. 23 Nony efa-polo taona izy, dia tonga tao an-tsainy ny hamangy ny zanak'Israely rahalahiny. 24 Dia nahita anankiray tamin'izy ireo nampahorina izy, ka niaro azy, sy namono nahafaty an'ilay Ejipsiana nampahory azy mba hamaliany faty an'ireo. 25 Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny, fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy, kanjo tsy fantany. 26 Ny ampitson'iny, dia tojo roa lahy niady izy, ka nanao izay hihavanany sy nilaza hoe: Ry sakaiza, mpirahalahy hianareo, ka nahoana no dia mifamely? 27 Fa natosik'ilay namely maina ny namany izy ka nataony hoe: Iza moa no nanendry an'ialahy ho mpifehy sy mpitsara anay? 28 Sao dia tadiavin'ialahy hovonoina, tahaka an'ilay Ejipsiana omaly koa anie aho? 29 Dia nandositra Moizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin'ny tany Madiana, ary niteraka zanaka roa lahy tany. 30 Rahefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy, tany an'efitry ny tendrombohitra Sinaia, teo anaty lelafo amin'ny hazo kely milobolobo.

31 Gaga Moizy nahita izany; ary nony nanatona handinika izy, dia nandre ny feon'ny Tompo nanao hoe: 32 Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba. Tera-kovitra tery Moizy ka tsy sahy nijery akory. 33 Ary hoy ny Tompo taminy: Esory ny kiraro amin'ny tongotrao, fa masina io tany hitsahinao io. 34 Efa hitako ny fahorian'ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany, ka nidina hanafaka azy aho. Ary ankehitriny handeha hirahiko ho any Ejipta hianao. 35 Io ilay Moizy nolaviny sy nataony hoe: Iza moa no nanendry an'ialahy ho mpifehy sy mpitsara? Kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban'ilay anjely niseho taminy tao amin'ny hazo kely milobolobo.

36 Izy ihany no nanafaka azy ireo, tamin'ny fahagagana amam-pamantarana nataony tany Ejipta, sy tao amin'ny ranomasina Mena, ary tany an'efitra efa-polo taona. 37 Io Moizy io ihany koa no nilaza tamin'ny zanak'Israely hoe: Andriamanitra hanangana Mpaminany anankiray tahaka ahy ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, dia hihaino azy hianareo. 38 Izy ihany koa, tamin'ny fiangonana tany an'efitra, nomban'ny anjely niteny taminy teny an-tendrombohitra Sinaia sy ny razantsika, no nandray ny tenin'ny fiainana sy namindra azy tamintsika. 39 Nefa tsy nety nanaiky azy ny razantsika, fa nanohitra azy, ary vao mainka manina an'i Ejipta aza 40 ka nanao tamin'i Aarona hoe: Anaovy andriamanitra izahay hitari-dàlana anay, fa tsy fantatray izay nanjò an'ilay Moizy nitondra anay avy tany Ejipta iny. 41 Dia nanao sarin-janak'omby izy ireo tamin'izany andro izany, ka nanao sorona tamin'io sary io, ary niravoravo tamin'ny asan-tànany.

42 Fa nilaozan'Andriamanitra izy ireo, ka navelany hanompo ny tafiky ny lanitra, araka izay voasoratra amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Ry taranak'Israely, moa nanolotra sorona sy fanatitra tamiko hianareo, nandritra ny efa-polo taona tany an'efitra? 43 Tsia, fa ny tranolain'i Moloka no nentinareo sy ny kintan'i Raifàna andriamanitrareo, dia ireo sarin-javatra hataonareo hivavahana. Noho izany, dia hafindrako ho any an-dafin'i Babilona kosa hianareo. 44 Ny tranolain'ny fanekena dia tao amin'ny razantsika tany an'efitra, araka ny didin'ilay nilaza tamin'i Moizy hanao azy araka ny marika efa hitany.

45 Io tranolay io, tamin'ny andron'i Josoe, dia noraisin'ny razantsika ka nentiny niditra tany amin'ny tanin'ireo firenena izay noroahin'Andriamanitra teo anoloan'izy ireo, ary naharitra hatramin'ny andron'i Davida. 46 Nankasitrahan'Andriamanitra io mpanjaka io, ka nangataka mba hanao trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba; 47 kanefa Salomona ihany no nanao trano ho azy. 48 Tsy mitoetra ao amin'izay trano nataon-tànan'olona anefa ny Avo indrindra, araka ny voalazan'ny mpaminany hoe: 49 Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho ahy, hoy ny Tompo? Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako? 50 Tsy ny tànako va no nanao izao zavatra rehetra izao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137