Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-8

1 Tamin'izany andro izany, dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.

2 Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an'i Etiena, sady nitomany azy fatratra. 3 Fa Saoly kosa nanenjika ny Eglizy; nidirany nosarihany tany an-trano na lahy na vavy, ka nataony an-tranomaizina. 4 Ry zareo niely tamin'izay, dia nitety tany nitory ny tenin'Andriamanitra.

5 Ary Filipo nidina tany an-tanànan'i Samaria, ka nitory ny Kristy tamin'ny olona tao. 6 Nandre sy nahita ny fahagagana nataon'i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy. 7 Fa maro ny olona azon'ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa; 8 ka hafaliana moa izany no tao amin'izany tanàna izany! 9 Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Simona, izay efa tao an-tanàna rahateo: mpamoha angatra nahatalanjona ny vahoakan'i Samaria izy io, ka nanao ny tenany ho zavatra.

10 Nanaraka azy avokoa ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe, fa ity lehilahy ity no Herin'Andriamanitra izay atao hoe, Hery lehibe, hoy izy ireo. 11 Efa voarebirebin'ny zava-mahatalanjona nataony hatry ny ela izy ireo, ka izany no nanarahany azy. 12 Fa rahefa nino an'i Filipo izay nitory ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesoa-Kristy izy ireo, dia natao batemy avokoa na lahy na vavy. 13 Na ny tenan'i Simona aza dia mba nino; ary rahefa natao batemy izy dia tsy nahasaraka an'i Filipo, sady talanjona erý nahita ny famantarana amam-pahagagana lehibe tanteraka teo anatrehany. 14 Rahefa ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra ny tany Samaria, dia nirahiny hankany Piera sy Joany.

15 Nony tonga tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina; 16 satria vita batemy tamin'ny anaran'i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan'ny Fanahy Masina na dia iray aza. 17 Dia nametrahany tànana izy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina. 18 Nony hitan'i Simona fa fametrahan'ny Apostoly tànana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nanolotra vola azy izy 19 nanao hoe: Mba omeo ahy koa izany fahefana izany mba handray ny Fanahy Masina izay rehetra hametrahako tànana. Fa hoy Piera taminy: 20 Aoka ho very miaraka amin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. 21 Tsy manana anjara amin'ity raharaha ity hianao na dia kely aza, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra. 22 Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ary mangataha amin'ny Tompo mba hamela izany hevitry ny fonao izany raha azo atao, 23 satria hitako fa mbola anatin'ny fialonana mangidy sy voafatotry ny ota mihitsy hianao. 24 Dia namaly Simona ka nanao hoe: Mivavaha ho ahy amin'ny Tompo hianareo, mba tsy hanjò ahy izay voalazareo. 25 Nony efa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo izy roa lahy, dia niverina tany Jerosalema, ka nitory ny Evanjely tamin'ny vohitra maro eran'i Samaria. 26 Ary nisy anjelin'ny Tompo niteny tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin'ny làlana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.

27 Dia nitsangana izy ka nandeha. Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiopia, olom-bositra sy manamboninahitra lehibe tao amin'i Kandasy mpanjakavavin'i Etiopia, sady mpitandrina ny fananany rehetra, tonga tao Jerosalema mba hivavaka. 28 Nony niverina izy, ka nipetraka teo ambonin'ny kalesiny, dia namaky ny bokin'Izaia mpaminany. 29 Ary hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Mandehana manatona io kalesy io. 30 Dia nihazakazaka Filipo ka nandre ilay olona namaky ny bokin'Izaia mpaminany, ary nanao taminy hoe: Moa fantatrao tsara va izay vakianao? 31 Ka hoy izy: Hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dàlana ahy? Dia nangataka an'i Filipo hiakatra ho eo aminy izy. 32 Ary izao no novakiny tao amin'ny Soratra Masina: Nentina hovonoina mova tsy ny ondry izy, ary tsy niloa-bava toy ny zanak'ondry moana eo anatrehan'ny mpanety azy.

33 Fitsarana miangatra erý no nanesorana azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nongotana tamin'ny tanin'ny velona izy? 34 Dia niteny tamin'i Filipo ilay olona nanao hoe: Masìna hianao, iza no antsoin'ny mpaminany amin'izany? ny tenany ve sa olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, nanomboka tamin'ireo tenin'ny Soratra Masina ireo, ka nitory an'i Jesoa taminy. 36 Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano, ka hoy ilay manamboninahitra: Indro eo rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batemy?

37 Dia hoy Filipo: Raha mino amin'ny fonao rehetra hianao, dia azo atao ihany izany. Ary namaly izy nanao hoe: Mino aho fa Jesoa-Kristy no Zanak'Andriamanitra. 38 Dia nasainy najanona ny kalesy, ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy Filipo, ka nanao batemy azy Filipo. 39 Nony niakatra avy teo amin'ny rano izy ireo, nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny làlany an-kafaliana izy. 40 Fa Filipo kosa tonga tany Azota, ary nitory ny Evanjely tamin'ny tanàna rehetra nandalovany mandra-pahatongany tany Sezarea.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0549