Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-8

5 Ary Filipo nidina tany an-tanànan'i Samaria, ka nitory ny Kristy tamin'ny olona tao. 6 Nandre sy nahita ny fahagagana nataon'i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy. 7 Fa maro ny olona azon'ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa; 8 ka hafaliana moa izany no tao amin'izany tanàna izany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1098