Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-9

1 Tamin'izany Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben'ny mpisorona izy,

2 nangataka taratasy taminy ho an'ny sinagogan'i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany làlana izany, na lahy na vavy. 3 Raha mbola teny an-dàlana izy ka efa mby akaikin'i Damasa dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy. 4 Dia lavo tamin'ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? 5 Ka hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? - Ary hoy ny Tompo: izaho no Jesoa izay enjehinao; sasa-poana hianao mitroatra manohitra ny fanindronana. 6 Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: Tompo ô! inona no tianao hataoko? 7 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao. Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza. 8 Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasa. 9 Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro. 10 Tao Damasa fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania; nilazàn'ny Tompo tamin'ny tsindrimandry hoe: Ry Anania. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.

11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny làlana atao hoe i Mahitsy; tadiavo ao an-tranon'i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy, efa mivavaka izy izao. 12 (Tamin'izay koa Saoly dia nahita lehilahy anankiray tamin'ny tsindrimandry atao hoe, Anania izay niditra sy nametra-tànana taminy mba hampahiratra azy). 13 Ary Anania namaly hoe: Tompoko, reko tamin'ny olona maro fa loza loatra no nafitsok'io lehilahy io tamin'ny olonao masina tao Jerosalema; 14 ary atý indray izy izao nahazo fahefana tamin'ny lehiben'ny mpisorona koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. 15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho ahy, hitondra ny anarako eo anatrehan'ny jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak'Israely; 16 ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny anarako. 17 Dia nandeha Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tànana taminy nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, Jesoa Tompo izay niseho taminao teo amin'ny làlana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray hianao sy ho feno ny Fanahy Masina. 18 Niaraka tamin'izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin'ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao batemy; 19 ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray. Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin'ny mpianatra tao Damasa i Saoly, 20 ary nitory teo amin'ny sinagoga niaraka tamin'izay izy, ka nilaza fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra. 21 Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nanenjika izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema, sy tonga atý mba hitondra azy am-patorana ho any amin'ny lehiben'ny mpisorona koa? 22 Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasa, naneho marimarina tamin'izy ireo fa Jesoa no Kristy. 23 Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jody;

24 fantatr'i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan'izy ireo andro aman'alina ny vavahady mba hamonoany azy; 25 kanjo nalain'ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin'ny sobiky, dia nampidininy tamin'ny manda. 26 Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin'ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr'i Jesoa koa izy. 27 Tamin'izay nalain'i Barnabe izy ka nentiny tao amin'ny Apostoly, dia notantarainy tamin'izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dàlana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin'ny nitoriany ny anaran'i Jesoa tao Damasa. 28 Izay vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin'ny anaran'ny Tompo. 29 Niresaka tamin'ny jentily koa izy, ary niady hevitra tamin'ny Helenista; kanjo notadiavin'ireo hovonoina. 30 Ka nony fantatry ny rahalahy izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsy. 31 Niadana ny Eglizy eran'i Jodea sy Galilea ary Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin'ny famporisihan'ny Fanahy Masina koa.

32 Tamin'izay, raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin'ny olona masina izay nonina tao Lidà koa, 33 ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin'ny valo taona, fa malemy, 34 ary nanao taminy hoe: Ry Enea, hanasitrana anao Jesoa-Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy. 35 Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Saròna, dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa. 36 Ary tany Jope nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dorkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.

37 Narary izy tamin'izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroiny ny fatiny, dia napetrany tao amin'ny efi-trano ambony. 38 Ary Lidà moa dia akaikin'i Jope ihany; ka ren'ny mpianatra fa hoe ao Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: Aza miatoato hankaty aminay. 39 Dia nitsangana Piera ka niara-nandeha tamin'ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin'ny efitra ambony, ka nohodidinin'ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman'akanjo nataon'i Dorkasy fony fahavelony. 40 Navoakan'i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: Ry Tabità, mitsangàna. Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an'i Piera izy, dia niarina. 41 Ary Piera kosa nanolo-tànana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin'izy ireo. 42 Niely eran'i Jope manontolo izany, ka betsaka no nino ny Tompo. 43 Ary Piera nitoetra andro maromaro tany Jope, tao amin'ny mpandon-koditra anankiray atao hoe Simona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.047