Bokin'i Baroka

Toko faha-3

1 Ry Tompo tsitoha Andriamanitr'Israely ô, fanahy ory sy saina poritra no mitaraina aminao.

2 Mihainoa, ry Tompo, ary mamindra fo, fa nanota teo anatrehanao izahay,

3 fa hianao mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana mandrakizay; ary izahay dia maty tsy an-kifody.

4 Ry Tompo tsitoha Andriamanitr'Israely, henoy ny vavak'ireto maty amin'Israely sy ny taranak'ireo nanota teo anatrehanao, fa tsy nihaino ny feon'ny Andriamaniny ireny ka fototr'izao loza mipetaka aminay izao.

5 Aza tsarovanao intsony ny heloky ny razanay, fa ny herinao sy ny anaranao no tsarovy amin'izao fotoana izao.

6 Satria hianao no Tompo Andriamanitray, ka hidera anao izahay, ry Tompo.

7 Izany no nanaovanao ao am-ponay ny fahatahorana anao, mba hiantsoanay ny anaranao; dia hideranay anao atý amin'ny fahababoanay; fa nesorinay tao am-ponay ny heloky ny razanay, izay nanota teo anatrehanao.

8 Indreto izahay ankehitriny, atý amin'ny fahababoanay, nanelezanao anay, hatao fandatsa, sy fanozona ary onitra, araka ny heloka rehetra nataon'ny razanay, izay nihataka tamin'ny Tompo Andriamanitray.

9 Mihainoa, ry Israely, ny lalàm-piainana; manongilana sofina, hianatra ny fahamalinana.

10 Ahoana sy ahoana ange, ry Israely, ity hianao no aty amin'ny tanim-pahavalo; ka reraka aty amin'ny tanin'ny firenen-kafa, sy mandoto tena amin'ny maty,

11 ka atao ho anisan'izay efa tafiditra any amin'ny seoly?

12 Nanao ny loharanom-pahendrena hianao,

13 satria, raha nandeha tamin'ny làlan'Andriamanitra hianao, dia ho nitoetra tamin'ny fiadanana mandrakizay!

14 Fantaro izay misy ny fahendrena, sy ny hery, ary ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatrao miaraka amin'izany koa izay misy ny andro lava sy ny fiainana, izay misy ny fahazavana ho an'ny maso, sy ny fiadanana.

15 Iza no efa nahita ny toerana misy ny fahendrena; ary zovy no efa niditra tao amin'ny firaketany?

16 Aiza ny mpanapaka ny firenena, mbamin'izay nahafolaka ny bibin'ny tany,

17 sy izay nilalao ny voromanidina,

18 sy nanangona volafotsy amam-bolamena, izay anankinan'ny olombelona ny fitokiany sady tsy misy farany ny fananany? Ireo olona manangona vola, sy misahirana amin'izany, tsy ho hita soritra akory ny asa nisasarany!

19 Fa lasa izy, nidina any amin'ny seoly, ary hafa no mitsangana mandimby azy.

20 Nisy ihany zatovo nahita ny fahazavana, ka nonina teto ambonin'ny tany, nefa tsy nahita ny làlan'ny fahendrena izy;

21 na nahalala ny sakeli-dàlany akory; ny zanany koa tsy nahazo an-tsaina azy io; lavitra ny làlany izy ireo.

22 Tsy re nolazaina tany amin'ny tany Kanaana izy, na hita tany Temàna.

23 Ireo zanak'i Agara izay mitady ny fahendren'ny tany, ireo mpandranto avy any Merha sy Temàna, ireo mpivaofy fanoharana sy ireo mpikaroka fahamalinana, tsy misy nahalala izay làlan'ny fahendrena, na nahatadidy ny sakeli-dàlany akory.

24 Ry Israely ô, akory ny halehiben'ny tranon'ny Tompo, akory ny halalaky ny tany anjakany!

25 Malalaka tsy misy fetra izy, sady avo tsy hita lany.

26 Tany, hatramin'ny fahiny fahagola, no nitoeran'ireo olo-malaza goavam-be, ranjanana sy mahay amin'ny ady.

27 Nefa tsy izy ireo no nofidin'Andriamanitra, ary tsy izy ireo no natorony ny làlan'ny fahendrena.

28 Dia maty izy, fa tsy nanana ny fahalalana marina, maty izy, noho ny hadalany.

29 Iza no niakatra tany an-danitra, ka nisambotra ny fahendrena sy nampidina azy avy any amin'ny rahona?

30 Iza no nita ny ranomasina, ka nony nahita azy dia nitondra azy notambazana volamena madio indrindra?

31 Tsy misy olona mahalala ny làlany, na mba namantatra tsara izay sakeli-dàlany akory.

32 Fa ilay mahalala ny zavatra rehetra no mahalala azy; izy no mahita azy amin'ny fahiratan-tsainy, dia ilay nanorina ny tany ho mafy mandrakizay, sy nameno azy ireo biby manan-tongotra efatra;

33 ilay maniraka ny fahazavana, dia lasa io, sy miantso azy, dia manaiky amim-pangovitana izy.

34 Ireo kintana mamirapiratra eo amin'ny fitoerany, dia mifaly ery,

35 dia antsoiny ka mamaly hoe: Indreto izahay! dia mamirapiratra amin-kafaliana ireo, ho an'ilay nahary azy.

36 Izy no Andriamanitsika ary tsy misy hafa mitovy aminy.

37 Nahita ny làlan'ny fahendrena rehetra izy ka nanome izany ho an'i Jakoba mpanompony, sy ho an'Israely olo-malalany.

38 Rahefa izany, dia niseho teto an-tany izy ka niresaka tamin'ny olombelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0849