Bokin'i Daniely
Daniely toko 1
Fitarihan-teny - Fanabeazana an'i Daniely tao an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona.
1Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joakima, mpanjakan'i Jodà, tonga Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona hamely an'i Jerosalema, ka nanao fahirano azy. 2Natolotry ny Tompo, ho an-tànany, Joakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin'ny tany Sennaara, ao amin'ny tranon'ny andriamaniny, sady napetrany tao amin'ny firaketan'andriamaniny ny fanaka.
3Nanome teny an'i Asfeneza, lehiben'ny eonokany, ny mpanjaka, hitondra ny sasantsasany amin'ny zanak'Israely izay isan'ny taranak'andriana, na izay avo razana, 4ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany, nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara, hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka, sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeana. 5Natokan'ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan'andro, amin'ny hanin'ny mpanjaka sy ny divay fisotrony, mba hitoerany eo anatrehan'ny mpanjaka, rahefa nobeazina telo taona izy ireo. 6Anisan'ireo: Daniely, Ananiasa, Misaely ary Azariasa, avy amin'ny taranak'i Jodà. 7Nomen'ny lehiben'ny eonoka anarana izy ireo: ka Daniely nataony hoe Baltasara, Ananiasa nataony hoe Sidraka, Misaely nataony hoe Misaka, ary Azariasa nataony hoe Abdenagao.
8Ary tapakevitra tao am-pony Daniely fa tsy handoto tena amin'ny hanim-pihinan'ny mpanjaka sy ny divay fisotrony: ka nangataka tamin'ny lehiben'ny eonoka izy mba tsy hanery azy handoto tena. 9Ary nataon'Andriamanitra nahita fitia tamin'ny lehiben'ny eonoka Daniely. 10Hoy ny lehiben'ny eonoka tamin'i Daniely: Matahotra ny mpanjaka tompoko, aho, fa tenany no nandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo; fa ahoana moa izy no hahita ny tarehanareo mahia noho ny an'ireo zatovo mitovy taona aminareo? Hanao izay hanapahan'ny mpanjaka ny lohako hianareo izany. 11Dia hoy Daniely tamin'ny mpikarakara sakafo notendren'ny lehiben'ny eonoka hikarakara an'i Daniely, Ananiasa, Misaely, sy Azariasa: 12Masìna hianao, manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanompoanao: hanin-kotrana ho hanina sy rano hosotroina ihany omena anay. 13Ka rahefa afaka izany, samy hojerenao ny tarehanay sy ny an'ireo zatovo mihinana amin'ny hanin'ny mpanjaka, dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao. 14Nekeny ny hatak'izy ireo, ka nizaha toetra azy izy hafoloana. 15Nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra nihinana tamin'ny hanin'ny mpanjaka. 16Ka dia nentin'ilay mpikarakara sakafo ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny, fa hanin-kotrana no nomeny azy.
17Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy, samy nomen'Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra; ary Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra. 18Nony tonga ny fotoana voatendrin'ny mpanjaka hampidirana azy rehetra, dia nentin'ny lehiben'ny eonoka ho eo anatrehan'i Nabokodonozora izy ireo. 19Niresaka tamin'izy rehetra ny mpanjaka, ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an'i Daniely, Ananiasa, Misaely ary Azariasa, ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo. 20Tamin'ny zavatra rehetra ilam-pahalalana, nanontanian'ny mpanjaka azy ireo, dia hitany fa nanatombo impolo heny noho ny an'ny mpahay taratasy amam-pisikidy rehetra, teo amin'ny fanjakany manontolo, ny fahambonian'izy ireo. 21Toy izany Daniely hatramin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosy. >