Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Daniely

Daniely toko 10
Fahoriana amam-pamonjena ny vahoakan'Andriamanitra, niady amin'ny fanjakana mpanompo sampy - Ny fifadian-kanina sy vavak'i Daniely - Ny fahitana an'ilay anjely; ny antony tsy nahatongavany faingana, hitondra ny valim-bavak'i Daniely tamin'Andriamanitra.

       1Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa mpanjakan'i Persa, dia nisy teny nambara tamin'i Daniely, izay natao hoe Baltasara, marina izany teny izany, ary ady lehibe no nolazainy. Azony an-tsaina ny teny, sady fantany hevitra ny fahitana.
       2Tamin'izany andro izany aho, Daniely, nisaona nandritra ny andro roatokombolana. 3Tsy nihinan-kanim-py akory aho, tsy nisy niditra ny vavako na hena na divay; ary tsy nihosotra aho, mandra-pahatapitry ny andro roatokombolana maninjitra. 4Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana vaolohany aho, teo amoron'ny ony lehibe atao hoe Tigra. 5Nanopy ny masoko nijery aho, ka indro, nisy lehilahy anankiray, nitafy rongony fotsy, sy nihetra tamin'ny hetra volamena avy any Ofaza. 6Tahaka ny krisolita ny tenany, hoatra ny hela-baratra no fijery ny tenany, tahaka ny fanilo mirehitra no fijery ny tarehany, tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, mivolom-barahana manganohano ny sandriny amam-tongony, hoatra ny feon'olona maro be ny feony, raha miteny izy. 7Izaho Daniely irery no nahita ny fisehoana fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita ny fisehoana; azon'ny tahotra mafy izy ireo, ka nandositra niery. 8Dia izaho irery no nijanona teo, ka nahita izany fisehoana lehibe izany, ka tsy nisy hery sisa intsony tafajanona tao amiko, ny tarehako niova volo, fa tonga nivaloarika aho, ary tsy nisy hery intsony tamiko. 9Reko ny feony niteny; fa vao nandre ny feony niteny aho, dia nirona natory, ka nihohoka tamin'ny tany.
       10Dia injay tànana nanohina ahy, ka nampiarina ahy handohalika sy hitehin-tànana. 11Dia hoy izy tamiko hoe: Ry Daniely, olo-malalan'Andriamanitra ô, fantaro izao teny holazaiko aminao izao, ka mitsangana hianao fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana aho nangovitra. 12Ary hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniely, fa hatramin'ilay andro voalohany nandatsahanao am-po ny hahalala sy hanetry tena eo anatrehan'Andriamanitrao, dia nohenoina ny teninao, ary izaho no tonga dia noho ny teninao. 13Fa nitsangana teo anoloako, iraika amby roapolo andro, ilay filohan'ny fanjakan'i Persa, ary Misely anisan'ireo filohany ambony no tonga nanampy ahy, ka nijanona teo akaikin'ny mpanjakan'i Persa aho. 14Ary ny hampahafantatra anao ny hanjo ny firenenao any am-parany any, no nahatongavako, satria mbola fahitana ny amin'ny any aoriana koa izany.
       15Tamin'ny nilazany izany teny izany tamiko, dia niondrika tamin'ny tany ny tarehako, sady tsy nahateny aho. 16Fa indro kosa nisy anankiray nitarehin-janak'olombelona, nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho, ka niteny dia nilaza tamin'ilay nitsangana teo anatrehako, nanao hoe: Tompokolahy ô, very hevitra aho, azon'izany fahitana izany, ka tsy manan-kery intsony. 17Hataon'ity mpanompon'ny tompoko ity ahoana moa, no fiteny amin'ny tompoko eo. Amin'izao sady tsy manan-kery aho, no tsy nisy aina intsony akory koa. 18Fa ilay nitarehin-janak'olombelona indray no nanendry ahy sy nankahery ahy. Dia hoy izy tamiko: 19Aza matahotra, ry olo-malalan'Andriamanitra; ho aminao anie ny fiadanana! Matokia, matokia! Mbola niteny tamiko teo izy, dia efa nahazo hery aho, ka nanao hoe: Aoka hiteny amin'izao ny tompoko, fa efa nankahery ahy hianao.
       20Hoy izy tamiko: Fantatrao va ny nahatongavako atý aminao? Ankehitriny hiverina hiady amin'ny filohan'i Persa aho, ary amin'ny fotoana handehanako, dia indro ho avy ny filohan'i Javana. 21Hambarako anao anefa, ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny fahamarinana, ary tsy misy mitsangana momba azy hanohitra an'ireo afa-tsy Misely filohanareo ihany. >