Bokin'i Daniely

Toko faha-12

1 Amin'izany andro izany, hitsangana Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin'ny zanaky ny firenenao, ka amin'izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian'ny firenena, ka hatramin'izany andro izany. Amin'izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin'ny boky.

2 Ary maro amin'ireo mandry ao amin'ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin'ny latsa amam-panariana mandrakizay. 3 Izay ho efa hendry, hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin'ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay doria. 4 Hianao, ry Daniely, ahoròny ireo teny ireo, ary asio tombo-kase ity taratasy ity, mandra-pahatongan'ny andro farany. Maro no handinika azy, ka hitombo ny fahalalana.

5 Ary nijery aho, Daniely, ka indro nisy olona roa hafa nitsangana, ny iray teto amoron'ny ony, ny iray kosa teny an-dafiny. 6 Dia hoy ny anankiray tamin'ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin'ny ranon'ny ony: Rahoviana no ho tonga ny faran'ireo zava-mahagaga ireo? 7 Ary reko ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin'ny rano; nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia hanondro lanitra, ka nianiana tamin'ilay velona mandrakizay, fa ho amin'ny fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro izany; ary rahefa vita ny fanorotoroana ny herin'ny vahoaka masina, dia ho tanteraka ireo zavatra rehetra ireo. 8 Reko izany, nefa tsy azoko an-tsaina, ka hoy aho: Tompokolahy ô, hanao ahoana no hiafaran'ireo zavatra ireo? 9 Fa hoy izy: Andeha, ry Daniely, fa efa voahorona ny teny, sy voaisy tombokase mandra-pihavin'ny andro farany. 10 Ho maro anie no hodiovina, hofotsiana, sady ho voazaha toetra; fa ny ratsy fanahy hanao ratsy; ary tsy misy hahazo an-tsaina ny ratsy fanahy; fa ny hendry no hahazo an-tsaina. 11 Hatramin'ny andro hampitsaharana ny sorona tsy tapaka, sy hampitsanganana ny fahavetavetan'ny mpandringana, hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo. 12 Sambatra izay hiandry sy hahatratra ny hatramin'ny dimy amby telopolo sy telon-jato amby arivo andro. 13 Ary hianao kosa, mizora ho amin'ny fiafarana, ka miala janona, fa ho tafatsangana handray ny lovanao hianao, amin'ny fahataperan'ny andro. (Hatreo no namakianay an'i Daniely ao amin'ny teny hebrio fa ny manaraka hatramin'ny faran'ny boky, nadikanay araka ny navoakan'i Theodotiona.)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0366