Bokin'i Daniely

Toko faha-2

1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nabokodonozora, nanonofy Nabokodonozora, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita tory intsony izy.

2 Nampanalain'ny mpanjaka ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny mpimasy, ary ny Kaldeana, hivaofy ny nofiny aminy; dia tonga ireo, ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka. 3 Ary hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo: Nanonofy aho, ka nitebiteby ny fanahiko, te hahalala izany nofy izany. 4 Namaly tamin'ny teny arameana ny Kaldeana, nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie hianao! Lazao amin'ny mpanomponao ny nofy, dia hambarany kosa ny heviny. 5 Ary namaly ny Kaldeana ny mpanjaka, ka nanao hoe: Zavatra efa notapahako izao: Raha tsy ampahalalainareo ahy ny nofy sy ny heviny, ny tenanareo hotetehina, ny tranonareo hatao fanarian-java-maloto. 6 Fa raha hambaranareo amiko kosa ny nofy sy ny heviny, dia fanomezana amam-panatitra lehibe no horaisinareo amiko; koa ambarao amiko ny nofy sy izay heviny. 7 Namaly fanindroany izy ireo, nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza amin'ny mpanompony ny nofy; ary izahay kosa hanambara ny heviny. 8 Dia namaly ny mpanjaka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mitady hahazo andro lava hianareo, satria hitanareo fa zavatra efa notapahako izany. 9 Matoa tsy ampahalalainareo ahy ny nofy, dia ny miara-mamoron-dahateny mandainga sy mamitaka, hataonareo eo anatrehako, mandra-piovan'ny toe-draharaha, no hany hevitrareo; ka ambarao ahy ny nofy dia ho fantatro fa hahalaza ny heviny amiko tokoa hianareo. 10 Fa izao no navalin'ny Kaldeana, teo anatrehan'ny mpanjaka nataony hoe: Tsy misy olona atý ambonin'ny tany, izay mahazo mampahafantatra izany fanontanian'ny mpanjaka izany. Ka tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nanontany zavatra toy izany tamin'ny mpahay taratasy amam-pisikidy na Kaldeana. 11 Sarotra ny zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy afaka hanambara eo anatrehan'ny mpanjaka hafa tsy ireo andriamanitra tsy manam-ponenana etý amin'ny olombelona. 12 Tamin'izay, tezitra sy nisafoaka mafy ny mpanjaka, ka nasainy novonoina avokoa ny olon-kendrin'i Babilona.

13 Navoaka ny didy, ka novonoina ny olon-kendry, ary notadiavina hovonoina koa Daniely sy ny namany. 14 Dia nivoaka Ariaoka, lehiben'ny mpiambin'andriana, hamono ny olon-kendrin'i Babilona, ka teny feno fahamalinana sy fahalalana no navalin'i Daniely azy. 15 Niteny izy ka nanao tamin'i Ariaoka komandin'ny mpanjaka hoe: Inona no anton'ity teny fitsarana mafy avy amin'ny mpanjaka? Dia nolazalazain'i Ariaoka taminy, ny toe-javatra. 16 Ary niditra nangatak'andro tamin'ny mpanjaka Daniely mba hilazany ny hevitry ny nofy amin'ny mpanjaka. 17 Niaraka tamin'izay dia nody tany an-tranony Daniely ary nampandre ny raharaha an'i Ananiasa sy Misaely ary Azariasa namany, 18 sady namporisika azy ireo hangataka ny famindram-pon'Andriamanitry ny lanitra, ny amin'izany zava-miafina izany, mba tsy hamonoana an'i Daniely sy ny namany miaraka amin'ny olon-kendry hafa ao Babilona. 19 Dia naseho an'i Daniely tamin'ny fahitana amin'ny alina, ilay zava-miafina, ka nisaotra an'Andriamanitry ny lanitra, Daniely.

20 Niloa-bava Daniely ka nanao hoe: Isaorana mandrakizay anie ny anaran'Andriamanitra, fa azy ny hery amam-pahendrena. 21 Izy no mampiova ny andro amam-potoavana, manongana ny mpanjaka sy manangana ny mpanjaka, manome fahendrena ny olon-kendry, sy fahalalana ho an'ny mazava saina. 22 Izy no mampiseho ny zava-dalina sy miafina, mahalala ny ao anatin'ny aizina, ary ao aminy no itoeran'ny mazava. 23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no ankalazaiko sy deraiko, fa nomenao hery amam-pahendrena aho ary nampahafantarinao ahy ankehitriny ny zava-nangatahanay, ka nasehonao taminay ny zava-miafin'ny mpanjaka. 24 Ka dia lasa Daniely nankao amin'i Ariaoka, ilay nasain'ny mpanjaka namono ny olon-kendrin'i Babilona; nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mamono ny olon-kendrin'i Babilona, fa ento aho ho eo anatrehan'ny mpanjaka, hanambara aminy ny hevitry ny nofiny.

25 Dia nentin'i Ariaoka faingana Daniely hiditra ho eo anatrehan'ny mpanjaka, ka hoy izy taminy: Nahita olona tamin'ireo babo avy any Jodà aho, hilaza ny hevitry ny nofy amin'ny mpanjaka. 26 Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin'i Daniely, izay atao hoe Baltasara, hoe: Hainao ambara amiko va ny nofy nonofisiko mbamin'ny heviny? 27 Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniely, ka nanao hoe: Ny zava-miafina anontanian'ny mpanjaka, dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny olo-mahay taratasy, na ny mpanandro ambara amin'ny mpanjaka. 28 Kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, izay mahay maneho ny zava-miafina; ary izy mampahafantatra an'i Nabokodonozora ny tsy maintsy ho tonga any am-paran'ny andro any. Ny nofy amam-pahitanao teo am-pandrianao dia izao: 29 Hianao, ry mpanjaka ô, teo am-pandrianao, dia velon'eritreritra tao an-tsainao, ny amin'izay ho avy manaraka izao andro izao; ary ilay mahay maneho ny zava-miafina kosa, nampahafantatra anao izay ho avy.

30 Ary izaho kosa, tsy tamin'ny fahendrena ato amiko, mihoatra noho ny an'ny olombelona rehetra, no nahitako izany zava-miafina izany, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka, ny hevitry ny nofy, sy hahalalanao ny hevitry ny fonao. 31 Hianao nijery, ry mpanjaka ô, ka indro nisy sariolona lehibe. Tena makadiry izany sariolona izany, sady namirapiratra mahagaga; nijoro teo anatrehanao izy io, ary mahatsiravina ny fijery azy.

32 Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany; volafotsy ny tratrany aman-tsandriny; varahana ny kibo amam-peny; 33 vy ny ranjony, ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany. 34 Mbola mijery eo hianao no indro, nisy vato niendaka tsy nokasihin-tànana, namely ity sariolona tamin'ny tongony vy amam-tanimanga, ka nahatorotoro azy. 35 Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahana, ny volafotsy mbamin'ny volamena, sady nanjary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin'ny fahavaratra, ka nopaohin'ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany; ary ilay vato namely ny sariolona kosa, zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra. 36 Izany no nofy; ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.

37 Hianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan'ny mpanjaka, izay nomen'ny Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,

38 sy notolorany ny zanak'olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron'ny lanitra, na aiza na aiza itoerany, ary nasainy nanjaka tamin'izy rehetra, dia hianao no loha volamena. 39 Manarakaraka anao, hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho hianao; manaraka izany, hisy fanjakana fahatelo, ho varahana, izay hanam-pahefana amin'ny tany rehetra. 40 Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra, toy ny fanorotoron'ny vy ny zavatra rehetra, no hanamongoany sy hanorotoroany an'ireo rehetra ireo. 41 Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony, ho tanimangan'ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany, dia satria ho fanjakana mizarazara izy; hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga. 42 Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany, dia ho fanjakana mafy ila sy malemy ila, izy. 43 Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga dia satria ho fifangaroan'ny taranak'olombelona, izy; nefa toy ny tsy fetezan'ny vy hiharo amin'ny tanimanga no tsy hifampitambarany. 44 Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin'ny firenen-kafa ny fanapahany; ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany, fa izy kosa haharitra mandrakizay, 45 araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihan-tanana, tamin'ny tendrombohitra, ka nahatorotoro ny vy, ny varahana, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin'ny volamena. Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka izay ho avy rahatrizay; marina ny nofy, ary tsy misy isalasalan'ny heviny. 46 Tamin'izay Nabokodonozora rafitra nihohoka sy niankohoka teo anatrehan'i Daniely sady nandidy hanolotra fanatitra aman-java-manitra taminy.

47 Dia niteny tamin'i Daniely ny mpanjaka, ka nanao hoe: Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy tompon'ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa nahay nanambara izany zava-miafina izany hianao. 48 Tamin'izany ny mpanjaka dia nanandratra an'i Daniely sy nanolotra fanomezana maro sady sarobidy ho azy, nanome azy ny fanapahana ny faritany rehetra momba an'i Babilona, ary nanendry azy ho lehibe indrindra amin'ny olon-kendrin'i Babilona rehetra. 49 Noho ny fangatahan'i Daniely, dia nanendry an'i Sidraka sy Misaka ary Abdenegao ny mpanjaka, ho tonian'ny raharaha amin'ny fehin'i Babilona, ary Daniely nijanona tao an-dapa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0484