Bokin'i Daniely

Toko faha-3

14 Dia niteny Nabokodonozora, ka nanao tamin'ireo hoe: Fanahy inianareo va, ry Sidraka, Misaka ary Abdenegao, no tsy anompoanareo ny andriamanitro sy tsy itsaoahanareo ny sariolona volamena natsangako? 15 Ankehitriny, raha vonon-kiankohoka hitsaoka ny sariolona nataoko hianareo, raha vao mandre ny feon'ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny samboka, ny valiha, ny farara mbamin'ny zava-maneno isan-karazany... Fa raha tsy mitsaoka azy hianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ao anatin'ny memy mirehitra afo mivaivay, ka iza moa no andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tànako? 16 Fa namaly Sidraka sy Misaka ary Abdenegao, ka nanao hoe: Ry Nabokodonozora ô, tsy misy tokony havalinay anao. 17 Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitra tomponay, dia hovonjeny amin'ny memy mirehitra afo mivaivay sy amin'ny tànanao izahay, ry mpanjaka ô! 18 Ary na tsy hataony aza izany, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo izay andriamanitrao izahay, na hiankohoka eo anatrehan'izay sariolona volamena natsanganao. 19 Dia feno hatezerana Nabokodonozora, ary niova tamin'i Sidraka sy Misaka sy Abdenegao ny tarehany. Nanohy niteny indray izy, ka nasainy nohafanaina ny memy impito mihoatra noho ny niheveran'ny olona ny tokony hanafanana azy;

20 ary ny miaramila sasany izay matanjaka indrindra amin'ny tafiny, no nasainy namatotra an'i Sidraka, Misaka, Abdenegao, sy hanipy ireo ao anatin'ny memy mirehitra afo mivaivay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.136