Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Daniely

Daniely toko 3, 52,53,54,55,56,

       <52Isaorana hianao, ry Tompo, Andriamanitry ny razanay
mendrika hoderaina sy homem-boninahitra ary hankalazaina mandrakizay.
Isaorana ny anaranao masina sy be voninahitra,
mendrika ny fiderana ambony indrindra sy ny fankalazana mandrakizay.
       53Isaorana hianao ao amin'ny tempolin'ny voninahitrao masina
mendrika ny dera amam-boninahitra ambony indrindra mandrakizay.
       54Isaorana hianao, ao amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakanao
mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.
       55Isaorana hianao, izay maninteraka ny hantsana ny fijerinao
mipetraka eo ambonin'ny Kerobima,
mendrika ny dera amam-pankalazana ambony indrindra mandrakizay.
       56Isaorana hianao, eo amin'ny habakabaky ny lanitra,
mendrika ny dera amam-boninahitra mandrakizay. >