Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Daniely

Daniely toko 3, 68,69,70,71,72,73,74,

       <68Isaory ny Tompo, ry ando amam-panala,
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       69Isaory ny Tompo, ry erika mangatsiaka amam-panala;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       70Isaory ny Tompo, ry ranomandry aman'oram-panala;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       71Isaory ny Tompo, ry andro aman'alina;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       72Isaory ny Tompo, mazava sy maizina;
derao izy ary, ankalazao mandrakizay.
       73Isaory ny Tompo, ry helatra aman-drahona maizina;
derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
       74Aoka ny tany hisaotra ny Tompo,
aoka izy hidera sy hankalaza azy mandrakizay. >