Bokin'i Daniely
Toko faha-3
75 Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.76 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry zava-maniry amin'ny tany, derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
77 Isaory ny Tompo, ry loharano; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
78 Isaory ny Tompo, ry ony aman-dranomasina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
79 Isaory ny Tompo, ry biby ngeza mbamin'izay mihetsiketsika rehetra ao anaty rano, derao izy ary ankalazao mandrakizay.
80 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry voromanidina; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.
81 Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry bibidia amam-biby fiompy; derao izy, ary ankalazao mandrakizay.