Bokin'i Daniely
Daniely toko 5
Ny fanasan'i Baltasara - Ny fanasana, ny fanaka masina tany amin'ny tempolin'i Jerosalema - Ny soratra teo amin'ny rindrina - Ny niantsoana ny olon-kendry sy Daniely koa - Ny namakiana ireo teny voasoratra sy nilazana ny heviny - Ny nahatanterahan'izany.
1Nanao fanasana lehibe Baltasara mpanjaka, ho an'ny tompo-menakeliny arivo lahy: ary nisotro divay teo anatrehan'ireo arivo lahy izy. 2Nentanin'ny divay Baltasara, dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy, nalain'i Nabokodonozora rainy, teny an-tempoly izay ao Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka amam-tompo-menakely mbamin'ireo vadiny sy vaditsindranony. 3Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin'ny tranon'Andriamanitra, izay ao Jerosalema, dia nisotro tamin'izany ny mpanjaka, ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin'ny vadintsindranony. 4Nisotro divay izy ireo, ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy, varahana sy vy, ary vato aman-kazo.
5Tamin'izay, dia nisy rantsan-tanan'olona niseho nanoratra tandrifin'ny fanaovan-jiro maro rantsana, teo amin'ny lalotra sokay amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka, ary hitan'ny mpanjaka ny tendron'ny tànana nanoratra izany. 6Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavanin'ny valahany, ary niady ny lohaliny. 7Dia niantso mafy ny mpanjaka nampaka ny mpisikidy, ny Kaldeana, ny mpanandro, ary niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babilona hoe: Na zovy na zovy mahavaky io soratra io, sy mahalaza ny heviny amiko, dia hampitafina jaky, hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho mpanapaka fahatelo amin'ny fanjakako izy. 8Koa niditra avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nahavaky izay zavatra voasoratra, na nahalaza ny heviny tamin'ny mpanjaka. 9Tsiravina fatratra Baltasara mpanjaka tamin'izay, nivaloarika ny endriny, kivy ny tompo-menakeliny. 10Nony nandre ny tenin'ny mpanjaka sy ireo tompo-menakeliny ny mpanjakavavy, dia niditra tao an-trano fanasana; niteny ny mpanjakavavy nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie hianao. Aoka ny eritreritrao tsy hampitebiteby anao, ary ny tarehanao tsy hivaloarika. 11Fa eto amin'ny fanjakanao, misy lehilahy anankiray izay itoeran'ny fanahin'ireo andriamanitra masina; tamin'ny andron-drainao, hita tao aminy ny fahazavana, ny fahazavan-tsaina, ny fahendrena toy ny fahendren'ireo andriamanitra. Koa izy no notendren'i Nabokodonozora mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao - ho lehiben'ny mpahay taratasy, ny mpisikidy, ny Kaldeana, mbamin'ny mpanandro, satria hita tao aminy avokoa, dia amin'i Daniely, izay nomen'ny mpanjaka anarana hoe Baltasara, 12ny saina ambony, ny fahaizana amam-pahalalana mivaofy ny hevitry ny nofy, sy hampahafantatra ny ankamantatra ary hamaly ny fanontaniana sarotra. Koa aoka hantsoina Daniely fa izy no hilaza ny hevitr'izany.
13Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniely. Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin'i Daniely hoe: Hianao va, no ilay Daniely, isan'ny babo avy any Jodà, nentin'ny mpanjaka raiko avy any Jodea? 14Efa reko ny aminao, fa hoe ao anatinao ny fanahin'ireo andriamanitra, sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina sy fahendrena mahagaga. 15Ary izao, vao avy nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry amam-pisikidy, hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; nefa tsy nahalaza ny hevitr'ireo teny ireo tamiko izy ireo. 16Ary izaho efa nandre ny aminao fa mahay milaza hevi-javatra, sy mahavaly fanontaniana sarotra hianao; koa raha mahavaky io soratra io hianao, sy mahalaza amiko ny heviny, dia hampitafina jaky, hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ho mpanapaka fahatelo eto amin'ny fanjakako hianao.
17Dia niteny Daniely, ka nanao, teo anatrehan'ny mpanjaka, hoe: Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao; ary omeo ny hafa ny fanatitrao. Fa ny voasoratra hovakiko amin'ny mpanjaka ihany, ary ny heviny hampahalalaiko azy koa. 18Ry mpanjaka ô, ny Andriamanitra Avo Indrindra, efa nanome an'i Nabokodonozora rainao ny fanjakana amam-pahalehibeazana, ny voninahitra amam-piandrianana; 19ary noho ny fahalehibeazana nomeny azy, raiki-tahotra sy nangovitra teo anatrehany avokoa ny vahoaka rehetra, sy ny firenena amam-tsamihafa fiteny; namono izay tiany hovonoina izy, ary namelona izay tiany hovelomina; nanandratra izay tiany hasandratra izy, ary nanetry izay tiany haetry. 20Kanefa, nony avy izay niavonavonan'ny fony, sy nihamafisan'ny fanahiny mba hampianjonanjona azy, dia naongana hiala amin'ny seza fiandrianana izy, sady nesorina aminy ny fahalehibeazany. 21Noroahina hiala amin'ny zanak'olombelona izy, nanjary hoatra ny an'ny biby ny fony, ary teo amin'ny ampondra dia ny fonenany; nampihinanina ahitra hoatra ny omby izy; ary nokotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany, mandra-pahalalàny fa ny Andriamanitra Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan'ny olombelona, sy manandratra izay tiany ho amin'izany. 22Hianao koa ity, ry Baltasara zanany, tsy nampietry ny fonao, na dia nahalala izany rehetra izany aza. 23Fa hianao, nentina teo anatrehanao ny kapoakan'ny tranony, ary nisotro divay tamin'izany hianao sy ny tompo-menakelinao mbamin'ny vadinao sy ny vaditsindranonao, noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahana, vy sy vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mahare, na mahalala na inona na inona akory; fa ilay Andriamanitra tompon'ny fofon'ainao sy iankinan'ny làlanao indray no tsy nankalazainao! 24Dia tamin'izany no nanirahana io tendro-tànana io avy amin'ny anarany sy nandaharana izay voasoratra ao. 25Ary izao no soratra voalahatra: Mené Mené, Thesel, Ofharsin! 26Ka izao no hevitr'ireo teny ireo: Mené (voaisa): nisain'Andriamanitra ny fanjakanao, dia notaperiny. 27Thekel (voalanja): nolanjaina tamin'ny mizàna hianao, ka hita fa maivana. 28Perès (voazara): hozaraina ny fanjakanao, ka homena ny Meda sy ny Persa.
29Tamin'izay, araka ny didin'i Baltasara, Daniely dia nampitafina jaky, nasiana rojo volamena ny vozony, ary namoahan-teny fa ho mpanapaka fahatelo amin'ny fanjakana izy. 30Tamin'io alina io ihany Baltasara, mpanjakan'ny Kaldeana dia novonoina. >