Bokin'i Daniely
Toko faha-6
12 Tamin'izay ireo olona dia avy nirodorodo ka nahita an'i Daniely nivavaka sy niantso an'Andriamaniny; 13 dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy ny amin'ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe: Moa tsy nanoratra lalàna hianao fa na zovy na zovy mivavaka amin'andriamanitra na amin'olombelona, hafa-tsy aminao irery mandritra ny telopolo andro, ry mpanjaka, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Namaly ny mpanjaka nanao hoe: marina tokoa izany, araka ny lalàn'ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovana. 14 Dia niteny indray izy ireo, ka nilaza teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Daniely anankiray amin'ireo babo avy amin'i Jodà anefa, ry mpanjaka, namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao; fa manao ny fivavahany intelo isan'andro. 15 Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany; raikitra tao am-pony ny hanafaka an'i Daniely, ka mandra-pilentiky ny masoandro izy, nitady hamonjy azy ihany. 16 Fa nirodorodo nankao amin'ny mpanjaka ireo olona ireo, ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa lalàn'ny Meda sy ny Persa ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra efa navoaky ny mpanjaka. 17 Tamin'izay ny mpanjaka nanome teny hitondra an'i Daniely sy hanipy azy ao an-davaky ny liona. Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin'i Daniely hoe: Ny Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie, no hanafaka anao! 18 Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka, ka nasian'ny mpanjaka fitomboka tamin'ny fanombohan-kaseny sy ny fanombohan-kasen'ireo andriantompo-menakely, mba tsy hisy hovana ny amin'i Daniely. 19 Avy eo ny mpanjaka dia nankany an-dapany tsy nitendry hanina mandritra ny alina, tsy nampiantso vehivavy ho eo aminy, ary lasa lavitra azy ny torimaso.20 Vao marainakoa ilay nangiran-dratsy iny ny andro dia niarina ny mpanjaka, ka nidodododo nankany an-davaky ny liona. 21 Nony mby teo akaikin'ny lavaka izy, niantso an'i Daniely tamin'ny feo malahelo, ary niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniely hoe: Ry Daniely mpanompon'Andriamanitra velona ô, nahavonjy anao tamin'ny liona va ny Andriamanitrao tompoinao mandrakariva? 22 Dia niteny tamin'ny mpanjaka Daniely: Ry mpanjaka ô, velona mandrakizay anie hianao! 23 Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona ka tsy naninona tsy naninona ahy akory ireo, satria hita fa tsy manan-tsiny teo anatrehany aho, sady tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka ô! 24 Faly dia faly ny mpanjaka ny amin'i Daniely ka nasainy nesorina tao an-davaka Daniely. Dia nesorina tao an-davaka Daniely, ka tsy nisy ratra kely akory hita tao aminy, satria nino ny Andriamaniny izy. 25 Fa mandidy kosa ny mpanjaka, ka ireo olona nilaza ratsy an'i Daniely dia nalaina ary natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany. Ka mbola tsy nipaka tamin'ny vody lavaka akory dia noraisan'ny liona, ary notapatapahany ny taolany rehetra. 26 Tamin'izay Dariosa mpanjaka nanoratra ho any amin'ny foko amam-pirenena rehetra mbamin'ny samihafa fiteny, izay monina eto ambonin'ny tany nanao hoe: Hitombo fiadanana anie hianareo!
27 Lalàna avoakako ny mba hatahorana sy hangovitan'ny olona eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniely eran'ny fanjakako rehetra, fa izy no Andriamanitra velona, maharitra mandrakizay, ny fanjakany tsy mba ho rava, ary ny fanapahany tsy hanam-pahataperana. 28 Manafaka sy mamonjy izy ary manao famantarana amam-pahagagana eny an-danitra sy etý an-tany. Izy no nanafaka an'i Daniely tamin'ny hohon'ny liona.