Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Daniely

Daniely toko 9
Faminaniana ny amin'ny herinandro fitopolo - Fitarihan-teny - Fiekena fahotana sy fivavahana - Valy avy amin'Andriamanitra.

       1Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa, zanak'i Asoerosa, taranaky ny Meda, nampanjakaina tamin'ny fanjakan'ny Kaldeana: 2tamin'ny taona voalohany nanjakany izaho Daniely nandinika, tamin'ny famakiana ny boky, ny isan'ny taona izay nanaovan'ny Tompo teny tamin'i Jeremia mpaminany ka tsy maintsy tanterahina ho tapitra amin'ny faharavan'i Jerosalema, dia fitopolo taona izany. 3Natodiko any amin'ny Tompo Andriamanitra ny tavako ary nioman-kivavaka sy hifona amin'ny fifadian-kanina sy amin'ny lasaka aman-davenona aho.
       4Nivavaka tamin'ny Tompo Andriamanitro aho, ary nihaiky heloka, nanao hoe: Indrisy, ry Tompo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin'izay tia anao sy mitandrina ny didinao, 5izahay efa nanota sy nahavita heloka, nanao ratsy sy niodina niala tamin'ny didinao aman-dalànao. 6Tsy nihaino ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay amam-panapaka anay sy tamin'ny razanay mbamin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany. 7Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa ny fangaihaizan-tava kosa tahaka ny amin'izao anio izao no anay, dia an'ny olona any Jodà, ny mponina any Jerosalema, sy Israely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, any amin'ny tany rehetra nandroahanao azy, noho ny helony izay nataony taminao. 8Tompo ô, anay ny fangaihaizan-tava, an'ny mpanjakanay, an'ny mpanapaka anay, an'ny razanay, satria nanota taminao izahay. 9Fa an'ny Tompo Andriamanitray kosa, ny famindram-po amam-pamelan-keloka, satria niodina taminao izahay. 10Tsy nanaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitray izahay, mba hanarahanay ny lalàny, nataony teo anoloanay tamin'ny alalan'ny mpaminany mpanompony. 11Nandika ny didinao avokoa Israely, sady nihodina tsy nihaino ny feonao, ka dia nianjera taminay ny ozona aman-tsahato voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, mpanompon'Andriamanitra, satria nanota taminy izahay. 12Notanterahiny ny teny nolazainy hamelezana anay mbamin'ny mpitsara nitsara anay: ka nataony niharan-doza lehibe tokoa izahay, fa tsy mbola nisy tahaka ny namely an'i Jerosalema, hita tetý ambany masoandro. 13Nidona taminay avokoa izao loza izao, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra; kanefa izahay tsy nanao izay hampitony an'ny Tompo Andriamanitray, tamin'ny fialanay amin'ny helokay sy amin'ny fieritreretanay amim-pitandremana ny fahamarinanao. 14Ka dia nandrasan'ny Tompo ny loza, ary nampihariny taminay; satria, marina Iaveh Andriamanitray, amin'ny asany rehetra nataony, ary tsy nihaino ny feony izahay. 15Koa ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitray ô, izay nanala ny vahoakanao avy any amin'ny tany Ejipta tamin'ny tànanao mahery, sy nanao anarana ho anao, tahaka ny amin'izao anio izao, efa nanota izahay, efa ratsy izahay. 16Tompo ô, enga anie ka hihodivitra tsy hihatra amin'i Jerosalema, tanànanao sy tendrombohitrao masina, ny hatezeranao amam-pahaviniranao araka ny fahamarinanao rehetra; fa noho ny fahotanay amam-keloky ny razany, no nahatonga an'i Jerosalema sy ny vahoakanao ho fandatsa eo amin'izay rehetra manodidina anay. 17Ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonan'ny mpanomponao; ka ampamirapirato amin'ny fitoeranao masina efa noravana, ny tavanao, noho ny fitiavan'ny Tompo. 18Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka henoy, ahirato ny masonao, ka jereo ity fahorianay sy ny tanàna niantsoana ny anaranao. Fa tsy noho ny fahamarinanay no ametrahanay ny fifonanay eto anoloanao; fa noho ny famindram-ponao lehibe. 19Tompo ô, mandrenesa; Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa ka miasà, aza ela, ry Andriamanitro ô, noho ny aminao; fa ny anaranao no voantso amin'ny tanànanao sy ny vahoakanao.
       20Mbola miteny eo aho mivavaka mihaiky ny fahotako amam-pahotan'Israely fireneko, ary mametraka ny fifonako eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitro, ho an'ny tendrombohitra masin'Andriamanitro; 21mbola miteny ao amin'ny fivavahako eo aho, no indro ilay lehilahy Gabriely, hitako taloha tamin'ny fahitana, tonga teo amiko tamim-panidinana faingana, sahabo ho tamin'ny fotoanan'ny fanatitra hariva. 22Nanoro ahy sy niresaka tamiko izy ka nanao hoe: Ry Daniely ô, tonga aho amin'izao fotoana izao, hanokatra ny sainao. 23Vao niantomboka ny vavakao, dia nisy teny nivoaka, ka ny hampahalala izany anao no nahatongavako, fa olo-malalan'Andriamanitra hianao. Koa henoy amim-pitandremana ny teny, ary fantaro ny fahitana. 24Fitopolo herinandro no voafetra ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina mba hangorona ny fivadihana, hanampina ny fahamarinana mandrakizay, hanisy tombo-kase ny fahitana amam-paminaniana ary hanosotra ilay Masina indrindra. 25Aoka ho fantatrao sy ho azonao ary, fa hatramin'ny hivoahan'ny didy anankiray izay nampanorina indray an'i Jerosalema ka hatramin'ny voahosotra anankiray, ny filohany anankiray izay, dia ho fito herinandro, sy roa amby enimpolo herinandro, dia haorina indray izy mbamin'ny kianja sy ny tamboho manodidina, amin'ny andro mampahory. 26Ary rahefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro, hoesorina ny voahosotra anankiray izay, ka tsy hisy ho azy. Ary ny vahoakan'ny filohany anankiray ho avy, handrava ny tanàna amam-pitoerana masina; ny hiafarany dia ho amin'ny fahasaforan-drano, ary hatramin'ny farany dia hisy ady izay efa voatapaka momba ny fandringanana. 27Hanao fanekena mafy amin'ny maro be izy, mandritra ny herinandro; ka ao an-tenantenan'ny herinandro dia hatsahany ny sorona amam-panatitra; ary hisy mpandrava ho avy amin'ny elatry ny fahavetavetana, ka izany dia haharitra mandra-pihatran'ny faharavana sy izay efa voatapaka amin'ilay efa rava. >