Ny Detoronomy

Toko voalohany

1 Izao no teny nataon'i Moizy tamin'ny zanak'Israely rehetra tany an-dafin'i Jordany tany an'efitra, tany Arabaha, tandrifin'i Sofa, anelanelan'i Faràna, Tofela, Labana, Haserota sy Di-Zahaba.

2 Làlana iraika ambin'ny folo andro Kades-Barne, raha avy eo Horeba ka mihazo ny làlana amin'ny tendrombohitra Seira. 3 Tamin'ny taona fahefa-polo, volana faharaika ambin'ny folo, andro voalohan'ny volana dia niteny tamin'ny zanak'Israely Moizy, araka izay rehetra nodidian'ny Tompo holazainy amin'izy ireo, 4 dia nony efa nandresy an'i Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nonina tao Hesebona, sy Oga mpanjakan'i Basàna, izay nonina tao Atarota sy Edraia. 5 Tany an-dafin'i Jordany, amin'ny tany Moaba, dia nanomboka nivaofy izao lalàna izao Moizy nanao hoe:

6 Niteny tamintsika Iaveh Andriamanitsika tany Horeba nanao hoe: Ampy izay ny haelan'ny nitoeranareo tamin'ity tendrombohitra ity,

7 ka mihodìna dia miaingà; mandehàna mankany amin'ny tendrombohitry ny Amoreana sy any amin'ny manodidina azy rehetra, any amin'i Arabaha, any amin'ny Tendrombohitra, any amin'i Sefelà, any amin'i Negeba, any amoron'ny ranomasina, any amin'ny tanin'ny Kanaeana ary any Libàna, hatrany amin'ny ony lehibe dia ny ony Eofrata. 8 Indro, ataoko eo anoloanareo izany tany izany, ka mandehana alaovy hanananareo azy, ny tany efa nianianan'ny Tompo tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba rainareo, homena azy, dia ho azy ireo sy ny taranany mandimby azy. 9 Toy izao no nitenenako taminareo tamin'izany andro izany: Tsy zakako izaho irery ny mitondra anareo.

10 Efa nampitombo anareo Iaveh Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny an-danitra hianareo. 11 Enga anie, ka hampitomboin'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo ho in'arivo tahaka izao hianareo sy hotsofiny rano, araka ny efa nampanantenainy anareo. 12 Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny lolohanareo sy ny entanareo ary ny adinareo? 13 Ka mifidiana olon-kendry sy manan-tsaina, ary hita toetra eo amin'ny fokonareo, dia hataoko lehibenareo izy. 14 Namaly ahy hianareo, ka nanao hoe: Tsara izany zavatra aposakao hatao izany. 15 Dia naka ny lohan'ny fokonareo aho, izay olon-kendry sy hita toetra ka nataoko mpifehy anareo, ho tompon'arivo, tompon-jato, mpifehy dimampolo, mpifehy folo, ary ho mpitsara amin'ny fokonareo. 16 Tamin'izay koa no nomeko izao didy izao ny mpitsara anareo: Henoy ny rahalahinareo, ka tsarao ara-drariny izay zavatra ifanolanan'izy ireo sy ny rahalahiny samy izy, na izy sy ny vahiny mitoetra aminy. 17 Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsaranareo; henoy toy ny lehibe ny kely; aza matahotra olona na iza na iza, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay zavatra sarotra loatra aminareo, ento aty anatrehako ho henoko. 18 Toy izany no nandidiako anareo tamin'izay zavatra rehetra tokony hataonareo. 19 Nony niala tany Horeba isika, dia namaky ilay efitra malalaka sy mahatsiravina hitanareo nankany amin'ny tendrombohitry ny Amoreana, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrareo antsika, ka tonga tany Kades-Barne.

20 Dia hoy aho taminareo: Tonga amin'ny tendrombohitry ny Amoreana izay omen'ny Tompo Andriamanitsika ho antsika hianareo. 21 Indro ataon'ny Tompo Andriamanitrao eo anatrehanao izany tany izany, ka iakaro izy, dia alao ho zakanao, araka ny efa voalazan'ny Tompo Andriamanitry ny razanao taminao; aza matahotra na mivadi-po akory. 22 Dia nanatona ahy hianareo rehetra, ka nanao hoe: Aoka isika haniraka olona hialoha antsika hisafo ny tany, dia hilaza amintsika izay toetry ny làlana hiakarantsika sy izay toetry ny tanàna hahatongavantsika.

23 Hitako fa mety izany, ka dia naka roa ambin'ny folo lahy taminareo aho, iray avy isam-poko. 24 Dia lasa ireo namaky ny tendrombohitra ka tonga tany an-dohasahan'i Eskola sy nisafo azy. 25 Nataony teo an-tànany ny vokatry ny tany nentiny nankany amintsika ary nanao filazana momba izany tamintsika izy; dia hoy izy: Tsara ny tany izay omen'ny Tompo Andriamanitsika ho antsika. 26 Tsy nety niakatra anefa hianareo, fa nandà ny tenin'ny Tompo Andriamanitrareo. 27 Nimonomonona tany an-dainareo hianareo, nanao hoe: Ny fankahalan'ny Tompo antsika no nitondrany antsika nivoaka tany amin'ny tany Ejipta mba hanolorany antsika ho eo an-tànana'ny Amoreana, sy handrigananany antsika. 28 Aiza no iakarantsika? Fa efa nahaosa ny fontsika loatra ny nilazan'ny rahalahintsika hoe: Ny firenena ao, dia sady vaventy no lava noho isika, ny tanàna lehibe, ary avo manakatra ny lanitra ny mandany; ary ny taranaky ny Enakima aza efa hitanay tany. 29 Dia hoy aho taminareo: Aza mivadi-po na matahotra an'ireo akory; 30 fa Iaveh Andriamanitrareo izay mandeha eo alohanareo, dia izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra efa nataony ho anareo tany Ejipta teo imasonareo, 31 ary tany an'efitra koa; ary hitanao tao izay nitondran'ny Tompo Andriamanitrao anao, fa toy ny fitondran'ny olona ny zanany, tany amin'ny làlana rehetra nalehanareo, hatramin'ny nahatongavanareo amin'ity toerana ity. 32 Na dia izany aza anefa hianareo tsy mbola nitoky an'ny Tompo Andriamanitrareo, 33 izay nandeha teo alohanareo teny an-dàlana, hitady toerana hitobianareo: ny alina izy teo amin'ny afo hanoro làlana nety halehanareo; ny antoandro indray teo amin'ny rahona. 34 Ren'ny Tompo ny fimonomonon'ny teninareo ka nentin'ny hatezerana izy, dia nianiana nanao hoe: 35 Tsy hisy olona amin'ity taranaka ratsy ity, hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo, 36 afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, izy no hahita azy, ary izy sy ny zanany no hanomezako ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tsara an'ny Tompo izy. 37 Hianareo ihany koa, no nitezeran'ny Tompo ahy, ka nanaovany hoe: Hianao koa tsy hiditra any;

38 fa Josoe mpanomponao zanak'i Nòna, no hiditra any; ankaherezo izy, fa izy no hampahazo an'Israely izany tany izany; 39 ary ny zanakareo madinika izay nolazainareo hoe lasan-ko babo, ny zanakareo mbola tsy mahalala izay tsara sy ratsy ankehitriny, dia ireo no hiditra any, ireo no homeko azy, ary ireo no hanana azy. 40 Fa hianareo kosa, miodìna ary miaingà ho any an'efitra amin'ny làlana mankany amin'ny ranomasina Mena. 41 Dia namaly hianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'ny Tompo izahay! Koa hiakatra ihany izahay, dia hiady araka izay rehetra efa nandidian'ny Tompo Andriamanitsika antsika. Dia samy namehy fiadiana teny am-balahana hianareo tsirairay avy, ka nioman-kananika ny tendrombohitra tsy amim-piheverana akory.

42 Fa hoy Iaveh tamiko: Lazao amin'izy ireo hoe: Aza miakatra hianareo ary aza miady, fa tsy eo afovoanareo aho, ka aza atao izay handresen'ny fahavalonareo anareo. 43 Nilaza taminareo aho; fa tsy nohenoinareo, notsipahinareo ny tenin'ny Tompo, be hambo loatra hianareo ka niakatra ny tendrombohitra. 44 Kanjo nivoaka hanehatra anareo ny Amoreana izay monina amin'izany tendrombohitra izany, ka notanahiny hianareo toy ny fanaon'ny renin-tantely sy noreseny tao Seira ka hatrany Hormà. 45 Dia niverina hianareo, ka nitomany teo anatrehan'ny Tompo; nefa tsy nihaino ny feonareo Iaveh, na nanongilana ny sofiny taminareo. 46 Nitoetra ela be tao Kadesa hianareo, dia izay fotoana nijanonanareo tao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372