Ny Detoronomy
Detoronomy toko 10
Ny nanomezan'Andriamanitra ny didy folo - Ny fanokanana ny fokon'i Levì.
1Tamin'izany andro izany dia hoy Iaveh tamiko: Mandidia takela-bato roa tahaka ireo voalohany, ka miakara ho aty amiko aty an-tendrombohitra, ary manaova koa fiara hazo anankiray, 2dia hosoratako amin'ireo takelaka ireo ny teny tamin'ny takela-bato voalohany nomontsaninao, ka hataonao ao anaty fiara izany. 3Dia nanao fiara anankiray tamin'ny hazo akasià aho, sy nandidy takela-bato roa tahaka ireo voalohany dia niakatra tany an-tendrombohitra nitondra ny takelaka roa teny an-tànako. 4Nosoratany teo amin'ireo takelaka ireo izay voasoratra tamin'ny voalohany, dia ny teny folo, izay efa nolazain'ny Tompo taminareo, teny an-tendrombohitra, tao afovoan'ny afo, tamin'ny andro nivoriana; dia natolotry ny Tompo ahy izany. 5Nihodina aho, dia nidina avy any an-tendrombohitra, napetrako tao anatin'ilay fiara nataoko ny takelaka, ary nipetraka tao izy araka ny nandidian'ny Tompo ahy.
6Niala tao Berota-Bene-Jakàna ny zanak'Israely hankany Moserà. Tao no nahafatesan'i Aarona sy nandevenana azy; Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy. 7Niala tao izy ireo hankany Gadgada, niala tao Gadgada indray hankany Jetebatà tany be sakeli-drano. 8Tamin'izany andro izany no nanokanan'ny Tompo ny fokon'i Levì hitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo sy hitoetra eo anatrehan'ny Tompo, hanompo azy ary hitso-drano amin'ny anarany, mandraka androany. 9Izany no tsy mba ananan'i Levì zaratany na lova eo amin'ny rahalahiny, fa Iaveh no lovany, araka ny voalazan'ny Tompo Andriamanitrao taminy.
10Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha no nitoerako tany an-tendrombohitra dia nihaino ahy indray Iaveh tamin'ity, ka tsy sitrak'Iaveh ny nandringana anao. 11Hoy Iaveh tamiko: Mitsangàna; aoka hianao hialoha làlana ny vahoaka, aoka izy hiditra sy haka ho azy ny tany efa nianianako tamin'ny razany homena azy ireo.
12Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin'ny Tompo Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fizoranao eo amin'ny làlany rehetra, sy amin'ny fitiavanao ary fanompoanao an'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra; 13ary amin'ny fitandremanao ny didin'ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra hianao? 14Jereo fa an'ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15Kanefa ny razanao ihany no niraiketan'ny Tompo ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia hianareo, no nofidiny tamin'ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao.
16Koa forao ny fonareo, ary aza henjanina intsony ny hatokareo. 17Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly, 18fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondra-tena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy. 19Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Ejipta koa hianareo. 20Matahora an'ny Tompo Andriamanitrao, manompoa azy; miraiketa aminy, ary ny anarany no ataovy fianianana. 21Fa izy no reharehanao, izy no Andriamanitrao, izay nanao ho anao ireo zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan'ny masonao. 22Ny isan'ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo, fa hianao kosa ankehitriny dia efa nataon'ny Tompo Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra. >