Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Detoronomy

Detoronomy toko 11
Famporisihina hitandrina ny didin'Andriamanitra.

       1Tiava an'ny Tompo Andriamanitrao ary tandremo izay asainy tandremanao, dia ny lalàny amam-pitsìpiny ary ny didiny, mandritra ny andronao rehetra. 2Tsy ny zanakareo izay tsy mahalala sy tsy nahita ny fananaran'ny Tompo Andriamanitrareo, fa hianareo ankehitriny no aoka hiaiky ny fahalehibeazany, ny tànany mahery, ny sandriny nahinjitra; 3ny fahagagana aman'asa nataony teo afovoan'i Ejipta, tamin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta sy tamin'ny taniny rehetra; 4ny nafitsony tamin'ny tafik'i Ejipta, ny soavaly aman-kalesiny; akory izany namarinany ny ranon'ny ranomasina Mena, hanafotra an'ireny, fony izy nanenjika anareo! Akory izany nandringan'ny Tompo azy ho levona mandraka androany! 5Aoka hiaiky hianareo ny nataony ho anareo tany an'efitra mandra-pahatonganareo amin'ity fitoerana ity; 6izay nataony tamin'i Datàna sy Abirona zanak'i Eliaba, zana-dRobena, fa nivava ny tany ka nitelina azy mbamin'ny fianakaviany sy ny lainy ary ny olona rehetra momba azy teo afovoan'Israely rehetra. 7Fa hianareo efa nahita maso ny asa lehibe nataon'ny Tompo. 8Koa tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio, mba hahery hianareo ka hiditra ho tonga tompon'ny tany izay ndeha halehanareo hakana azy ho fanananareo; 9ary mba ho lava andro any amin'ny tany izay efa nianianan'ny Tompo tamin'ny razanareo homena azy sy ny taranany, tany tondra-dronono aman-tantely. 10Fa ny tany izay efa hidiranao hanananao azy, dia tsy mba tahaka ny tany Ejipta nialanareo, izay namafazanao sy nampidiranao rano amin'ny tongotrao, toy ny saha fambolena anana. 11Fa ny tany halehanareo mba hanananareo azy, dia tany be tendrombohitra sy lohasaha izay mifoka ny rano avy amin'ny ranonoran'ny lanitra, 12tany kolikolen'ny Tompo Andriamanitrao, ary tsinjovin'ny mason'ny Tompo tsy tapaka hatramin'ny voalohan'ny taona ka hatramin'ny faran'ny taona.
       13Raha mankatò ny didiko, izay andidiako anareo anio hianareo amin'ny fitiavana an'ny Tompo Andriamanitrareo sy amin'ny fanompoana azy amin'ny fonareo rehetra, sy amin'ny fanahinareo rehetra, 14dia rotsahako ranonorana ny taninareo amin'ny fotoana, na loha-orana na ny fara-orana, ary hianao hanangona ny varinao sy ny divainao vaovao ary ny diloilonao; 15hasiako ahitra koa ny sahanao ho an'ny biby fiompy, ary hihinana, ka ho voky hianao. 16Mitandrema tena fandrao voasodoka ny fonareo, ka mivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehan'ireny hianareo; 17dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'ny Tompo, ka ny lanitra hohidiany ary tsy hisy ranonorana; ny tany tsy hahavanona ny vokany, ary hianareo ho lany ringana faingana any amin'ny tany soa omen'ny Tompo anareo.
       18Koa ataovy ao amin'ny fonareo sy amin'ny fanahinareo àry izao teny lazaiko aminareo izao: Fehezo ho famantarana eo amin'ny tànanareo izy, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonareo. 19Ampianaro ny zanakareo izany, resaho aminy izany, na mitoetra ao an-tranonao hianao, na mandeha amin'ny dia alehanao, na mandry hianao na miarina. 20Soraty eo amin'ny tolàm-baravaranao izany sy eo amin'ny vavahadinao, 21mba ho maro toy ny andron'ny lanitra ambonin'ny tany ny andronareo sy ny andron'ny taranakareo any amin'ny tany efa nianianan'ny Tompo tamin'ny razanareo homena azy. 22Fa raha mitandrina tsara izao didy rehetra asaiko hotandremanareo izao hianareo, ka tia an'Andriamanitrareo sy mandeha amin'ny làlany rehetra ary miraiki-po aminy: 23Iaveh kosa handroaka ireo firenena rehetra eo anoloanareo, ary hianareo hampanaiky firenena lehibe sy mahery noho hianareo. 24Ho anareo avokoa ny tany rehetra hodiavin'ny faladian-tongotrareo; hatramin'ny efitra ka hatrany Libàna, ary hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny ranomasina andrefana, no ho faritaninareo. 25Tsy hisy olona hahatoha anareo fa araka ny voalazan'ny Tompo Andriamanitrareo taminareo, dia handatsaka tahotra sy horohoro amin'ny tany rehetra hodiavinareo izy.
       26indro aho nametraka tsodrano sy ozona eo anoloanareo anio; 27tsodrano, raha mankatò ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio, hianareo; 28ozona, raha tsy manaiky ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo, fa mivily hiala amin'ny lalàna izay andidiako anareo anio ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo. 29Raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo Andriamanitrao anao, any amin'ny tany izay halehanao hakana azy ho fanananao, dia tonòny eo an-tendrombohitra Garizima ny tsodrano ary eo an-tendrombohitra Ebàla kosa ny ozona. 30Ireo tendrombohitra roa ireo, dia moa tsy any an-dafin'i Jordany ambadiky ny làlana mihazo any andrefana, any amin'ny tanin'ny Kananeana, monina amin'ny Arabaha, tandrifin'i Galgalà, akaikin'ny terebintan'i More? 31Fa ndeha hita an'i Jordany hianareo, ka halainareo ho anareo ny tany izay omen'ny Tompo Andriamanitrareo anareo, dia hanana azy hianareo ary honina ao. 32Mitandrema tsara àry hanatanteraka ny lalàna sy ny fitsìpika ataoko eo anoloanareo anio. >