Ny Detoronomy

Toko faha-13

1 Raha misy mpaminany na mpanonofy mitranga eo aminao, milaza famantarana na zava-mahatalanjona aminao,

2 sady tanteraka tokoa ny famantarana na ny zava-mahatalanjona nolazainy, nataony hoe: Andeha hanatona andriamani-kafa sy hanompo azy, nefa andriamanitra tsy fantatrao izany, 3 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany akory, fa mizaha toetra anareo Iaveh Andriamanitrareo, hahalalany raha tia an'ny Tompo Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy amin'ny fanahinareo rehetra hianareo. 4 Iaveh Andriamanitrareo no araho, izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa azy, ary mifikira aminy. 5 Fa izany mpaminany na mpanonofy izany kosa dia ataovy maty, satria fikomiana amin'ny Tompo Andriamanitrareo, izay nampivoaka anareo tany amin'ny tany Ejipta, sy nanafaka anareo tamin'ny trano fanandevozana, no efa notorìna mba hampivily anao hiala amin'ny làlana nasain'ny Tompo Andriamanitrao halehanao. Dia izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao. 6 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vehivavy izay ampofoanao, na ny sakaiza toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra tsy fantatrao na ny razanao akory,

7 anisan'ireo andriamanitry ny vahoaka manodidina anareo na akaiky na lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra, 8 dia aza mety ho taominy na mihaino azy, aza miantra maso azy, na mitsitsy azy, na manarontsarona azy, 9 fa vonoy ho faty izy, ka ny tànanao mihitsy no aoka hiainga voalohany hamely azy ho faty vao ny tànan'ny vahoaka rehetra. 10 Tonafy vato izy mandra-pahafaty azy, fa efa nitady hampiala anao amin'ny Tompo Andriamanitrao, izay nampivoaka anao tany amin'ny tany Ejipta, tamin'ny trano fanandevozana. 11 Ary handre izany Israely rehetra, dia ho raiki-tahotra ka tsy hanao izany heloka bevava izany eo aminao intsony. 12 Raha ny iray amin'ny tanàna nomen'ny Tompo Andriamanitrao anao honenana no lazain'ny olona hoe:

13 Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina ao an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo, 14 dia manaova famotorana, ka adiho sy anontanio tsara. Fa raha marina izany ary voaporofo izany zavatra izany, raha tanteraka teo afovoanao izany fahavetavetana izany, 15 dia tsy maintsy hovonoina amin'ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin'io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin'izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin'ny sabatra. 16 Angony eo afovoan'ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin'ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin'ny babo rehetra avy ao, ho an'ny Tompo Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan'ny tanàna; tsy haorina intsony. 17 Rahefa mety ho zavatra natao anatema, dia aoka tsy hisy hofihinin'ny tànanao, mba hiononan'ny Tompo amin'ny firehetan'ny fahatezerany, sy hanaovany fiantrana amam-pamindram-po aminao, dia hohamaroiny hianao, araka ny efa nianianany tamin'ny razanao, 18 raha manaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fitandremana ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, amin'ny fanaovana izay mahitsy eo imason'ny Tompo Andriamanitrao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1728