Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Detoronomy

Detoronomy toko 18, 15-20

       <15Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin'ny rahalahinao, Iaveh Andriamanitrao; hohenoinareo izy. 16Izany no nangatahinao tamin'ny Tompo Andriamanitrao tany Horeba, tamin'ny andro nivoriana, nataonao hoe: Aoka tsy ho ny feon'ny Tompo Andriamanitro intsony no ho henoko, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. 17Dia hoy Iaveh tamiko: Tsara ny voalazan'izy ireo. 18Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin'ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin'izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy. 19Ka raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia izaho no hampamoaka azy ny amin'izany. 20Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin'ny anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany. >