Ny Detoronomy

Toko faha-2

1 Dia nivily làlana isika, ka nandeha ho any an'efitra, amin'ny làlana mankany amin'ny ranomasina Mena, araka ny nandidian'ny Tompo ahy; ary ela isika no nihodina manodidina ny tendrombohitra Seira.

2 Ary hoy Iaveh tamiko: 3 Ampy izay ny nihodinanareo manodidina ity tendrombohitra ity, mandehana indray amin'ny làlana mianavaratra. 4 Omeo teny ny vahoaka ataovy hoe: Hamaky ny tanin'ny rahalahinareo hianareo izao, dia ny taranak'i Esao, izay monina any Seira. Hatahotra anareo izy; 5 nefa mitandrema tsara mba tsy hisy hifandiranareo aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny, na dia eram-paladia aza; ny tendrombohitra Seira efa nomeko an'i Esao hananany azy. 6 Ka aoka hovidinareo vola aminy ny hanin-kohaninareo, hovidinareo vola aminy na dia ny rano hosotroinareo aza.

7 Fa efa nambinin'ny Tompo Andriamanitrao hianao, tamin'ny asan'ny tànanao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory hianao na inona na inona. 8 Koa nandalo lavidavitra ny rahalahintsika zanak'i Esao izay monina any Seira isika, lavidavitra ny làlana amin'i Arabaha sy Elata ary Asiongabera; nivily isika dia nihazo ny làlana mankany amin'ny efitr'i Moaba. 9 Hoy Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin'i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria Ara efa nomeko ho fananan'ny taranak'i Lota.

10 Emima, vahoaka lehibe, maro isa sy lava toy ny Enakima, no nonina tany fahiny. 11 Izy ireo koa heverina ho Rafaïma toy ny Enakima, nefa Emima no iantsoan'ny Moabita azy. 12 Ny tany Seira koa fahiny, dia nonenan'ny Horeana, nefa noroahin'ny taranak'i Esao ireny nataony lany ringana teo anatrehany, dia izy ireo no nonina nisolo ireny, toy ny nataon'ny zanak'Israely tamin'ny tany ananany, izay nomen'ny Tompo azy. 13 Koa ankehitriny, mitsangàna hianareo, ka mandehana mita ny ranon-driaka Zareda. Dia nita ny ranon-driaka Zareda isika. 14 Valo amby telopolo taona no naharetan'ny diantsika hatrany Kadesa-Barne ka hatramin'ny nitantsika ny ranon-driaka Zareda, dia mandra-pahalany ritra tsy hisy eo an-toby intsony ny mpiantafika rehetra tamin'izany taranaka izany, araka ny efa nianianan'ny Tompo tamin'izy ireo.

15 Fa ny tànan'ny Tompo koa no namely azy, mba handringana azy tsy ho eo amin'ny toby, mandra-pahalany ritra azy. 16 Nony efa ringan'ny fahafatesana, tsy ho eo amin'ny vahoaka intsony ny lehilahy mpiantafika rehetra,

17 dia niteny tamiko Iaveh nanao hoe: 18 Mandehana amin'izao mamaky ny faritr'i Moaba, dia Ara, 19 ka ho tonga any akaikin'ny taranak'i Amona hianao, nefa aza manomboka ady aminy, na mifanditra aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny tanin'ny taranak'i Amona, na dia kely aza, satria efa nomeko ho fananan'ny taranak'i Lota izany. 20 Natao ho tanin'ny Refaïma koa izany tany izany, fa fahiny dia nonina tao ny Refaïma izay nantsoin'ny Amonita hoe Zomzomima, 21 vahoaka lehibe, maro isa sy lava toy ny Enakima. Naringan'ny Tompo ireny teo anoloan'ny Amonita izay nandriaka azy sy nonina nisolo azy; 22 toy izany no nataon'ny Tompo ho an'ny taranak'i Esao izay monina any Sira, tamin'ny nandringanany ny Horeana, teo anoloany, dia noroahiny ireny, ka izy ireo no nonina nisolo ireny mandrak'androany. 23 Ny Heveana izay nonina tamin'ny vohitra hatrany Gaza koa, dia naringan'ny Kaftorima, izay nivoaka avy tany Kaftora sy nonina nisolo ireny. 24 Koa mitsangàna hianareo mandehana mita ny ranon-driaka Arnona. Indro atolotro eo an-tànanao Sehona mpanjakan'i Hesebona, Amoreana, mbamin'ny taniny. Atombohy ny fakana azy, ka tafiho izy. 25 Hatramin'ny anio dia haeliko amin'ny vahoaka rehetra ambanin'ny lanitra ny horohoro aman-tahotra ny anaranareo; ka raha vao mandre ny lazanao izy dia hangovitra sy hangorohoro noho ny aminao. 26 Teo an'efitra Kademota dia nandefa iraka hankany amin'i Sehona, mpanjakan'i Hesebona aho, nitondra tenim-pihavanana, nampilaza taminy hoe:

27 Aoka mba hamaky ny taninao aho, dia homba ny làlam-be fotsiny, fa tsy hivily na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia. 28 Hamidinao vola amiko ny hanin-kohaniko; ny rano hosotroiko hatakalonao vola amiko; fa ny handalo mandeha tongotra fotsiny no tadiaviko. 29 Efa nanao izany tamiko ny taranak'i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitako an'i Jordany, ho any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitray anay. 30 Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa Sehona mpanjakan'i Hesebona; fa efa nohenjanin'ny Tompo Andriamanitrao ny fanahiny, ary efa nohamafisiny ny fony mba hanolorany azy ho eo an-tànanao araka ny hitanao amin'izao anio izao. 31 Hoy Iaveh tamiko: Indro aho, nanomboka nanolotra anao an'i Sehona sy ny taniny. Atombohy ny fanafihana azy mba hahazoanao ny taniny ho fanananao. 32 Dia nivoaka Sehona mbamin'ny vahoakany rehetra, mba hiady amintsika tao Jasà; 33 ka natolotry ny Tompo Andriamanitsika sy noresentsika izy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra. 34 Afatsika tamin'izay ny tanànany rehetra, nataontsika anatema ny tanànany rehetra, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, tsy nasiantsika niangana izy na dia iray aza. 35 Fa ny biby fiompiny kosa sy izay mety ho babo tao amin'ny tanàna afatsika no norobaintsika ho antsika. 36 Hatrany Aroera amoron'ny lohasan-driaka Arnòna, sy ny tanàna eo anatin'ny lohasaha, ka hatrany Galaada, dia tsy nisy tanàna sarotra anihina ka tsy afatsika, fa natolotry ny Tompo Andriamanitsika ho antsika daholo. 37 Tsy nisy nakekenao anefa ny tanin'ny taranak'i Amona, ary na aiza na aiza koa teo amoron'ny ranon-driaka Jabaoka, na ny tanàna eo amin'ny tendrombohitra na ny toerana rehetra efa nandraran'ny Tompo Andriamanitsika anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1056