Ny Detoronomy

Toko faha-21

1 Raha misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany omena'Iaveh Andriamanitrao anao hanananao azy, ka tsy fantatra izay namono azy,

2 dia aoka ny loholona amam-pitsaranao handeha handrefy ny anelanelan'ny tanàna manodidina sy ny toerana misy ny faty. 3 Ary ny amin'ny tanàna akaikin'ny faty indrindra dia halain'ny loholona amin'izany tanàna izany ny vantotr'ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina, na nitari-javatra amin'ny jioga, 4 ka hitondra azy midina amin'ny sakeli-drano tsy ritra amin'ny fitoerana tsy mbola voavoly na voafafy, ary ao no hamolahany ny hatoky ny vantotr'ombivavy ao amin'ny sakeli-drano. 5 Dia hanatona ny mpisorona, taranak'i Levì, fa ireo no nofidin'ny Tompo Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao; ary araka ny tenin'izy ireo no itsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra. 6 Hanasa ny tànany eo ambonin'ilay vantotr'ombivavy voafola-katoka teo amin'ny sakeli-drano ny loholona rehetra amin'ny tanàna akaikin'ny faty indrindra, 7 dia hiteny izy ireo, ka hanao hoe: Tsy nandatsaka ity rà ity ny tànanay, ary tsy nahita izany ny masonay. 8 Ry Iaveh ô, avelao ny helok'Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan'Israely vahoakanao ny rà tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin'izy ireo izany rà izany. 9 Izany no hanesoranao eo afovoanao ny rà tsy manan-tsiny, amin'ny fanaovanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo. 10 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao hianao, ka atolotry ny Tompo Andriamanitrao eo an-tànanao izy ary misy azonao sambo-belona izy ireo,

11 ka mahita vehivavy tsara tarehy anankiray amin'ny babo hianao, ka raiki-pitia azy sy maniry hanambady azy, 12 dia ento miditra ao anatin'ny tranonao izy. Amin'izay ny lohany haratany, ny hohony halany, 13 ny fitafiany tamin'ny nahababo azy havelany, ary izy hitoetra ao an-tranonao, hitomany ny ray aman-dreniny iray volana izy; rahefa izany dia handeha aminy hianao, ka hianao ho vadiny, izy ho vadinao. 14 Ary raha avy izay tsy hankasitrahanao azy intsony, dia avelao izy handeha amin'izay tiany, fa tsy ho azonao hamidy vola, tsy hoentina toy ny andevo, satria efa novinadinao izy. 15 Raha misy lehilahy nampirafy roa, ka ny iray tiany, ny iray halany, ary samy miteraka zazalahy aminy, na ilay tiany, na ity halany, ary ny zanany lahimatoa dia naterak'ity halany,

16 dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak'ilay tiany ho solon'ny zanak'ilay halany amin'ny andro andidiany ny fananany ho an-janany, satria izy no tena lahimatoa. 17 Fa ny zanak'ity tsy tiany ihany no hataony lahimatoa, sy homeny anjaran-droa amin'ny ananany rehetra, satria santatry ny fahatanjahany io zanany io, ka an'io ny fizokiana. 18 Raha misy olona manan-janaka lahy maditra sy manohitra, tsy henoiny akory izay feon-drainy na feon-dreniny, ary na faizin'ireo aza izy dia tsy henoiny,

19 dia hosamborin-drainy aman-dreniny izy, ka hoentiny amin'ny loholon'ny tanàna, eo am-bavahadin'ny fitoerana onenany, 20 ary holazainy amin'ny loholon'ny tanàna hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra, tsy mihaino ny feonay, fa manaram-po amin'ny fahalotoana amam-pimamoana. 21 Dia hitora-bato azy ny olona rehetra eo an-tanànany ka ho faty izy. Ary izany no hamongorana ny ratsy eo afovoanao, ary handre izany Israely rehetra ka hatahotra. 22 Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin'ny hazo,

23 dia tsy hiloak'alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao mihitsy androtr'iny ihany, satria hiharan'ny fanozonan'Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoinao ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho lova.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0473