Ny Detoronomy

Toko faha-24

1 Raha misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy, ka avy izay tsy hahitan-dravehivavy fitia eo imasony indray, fa misy zava-mahadikidiky hitany aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy izy, ka rahefa voatolony eo an-tànany izany, dia halefany hiala ao an-tranony izy.

2 Ary rahefa niala tao aminy izy, dia handeha ka afaka hanambady olon-kafa. 3 Raha tsy tia azy koa ity vadiny faharoa, ka nanoratra taratasy fisaoram-bady ho azy, sy efa nanolotra izany eo an-tànany, sady efa nampiala azy tao an-tranony, na sendra maty izany lehilahy nanambady azy fanindroany izany, 4 dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay vadiny voalohany efa nisaotra azy, rahefa voaloto izy, satria fahavetavetana eo imason'ny Tompo izany, ka aza mampiditra fahotana amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao ho lovanao. 5 Ny lehilahy vao nampaka-bady dia tsy handeha hiantafika ary tsy hampanaovina raharaha momba ny fitondram-bahoaka, fa ho afaka hikarakara ny tokantranony herintaona izy ary hampifaly ny vady vao nampakariny.

6 Aza misy maka ny vato roa fikosoham-bary ho antoka, na ny vatony ambony, fa maka ny aina ho antoka izany.

7 Raha misy olona azo nangalatra ny anankiray amin'ny rahalahiny ao amin'ny zanak'Israely ka nanandevo azy, na nivarotra azy, dia hohelohin-ko faty izany mpangalatra izany. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.

8 Tandremo amin'ny fery habokàna, ka toavy tsara sy araho izay rehetra hatoron'ny mpisorona Levitika anareo, araho tsara avokoa izay rehetra nandidiako azy.

9 Tsarovy ny nataon'ny Tompo Andriamanitrao tamin'i Maria teny an-dàlana, tamin'ny nivoahanareo tany Ejipta. 10 Raha mampisambo-javatra ny namanao hianao, na inona na inona izany, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy,

11 fa andraso eo alatrano ary ilay nampisamborinao dia hitondra ny antoka eo aminao eo alatrano. 12 Raha mahantra izany lehilahy izany, dia aza mandry mitana ny antoka avy aminy hianao, 13 fa raha maty masoandro avereno mihitsy any aminy ny antoka mba handriany amin'ny lambany, ka hitso-drano anao izy, dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao izany. 14 Aza mampahory ny mpikarama mahantra sy tsy manana, na ny anankiray amin'ny rahalahinao izany, na ny anankiray amin'ny vahiny mitoetra amin'ny taninao, ao anatin'ny vavahadinao.

15 Omeo androtriny ihany ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany trosa izany, fa mahantra izy, ka andrasan'ny fanahiny izany; raha tsy izany dia hotaraininy amin'ny Tompo hianao, ary hahazo fahotana. 16 Ny ray tsy hovonoina ho solon-janany, ny zanaka tsy hovonoina ho solon-drainy; fa isam-batan'olona dia samy ho fatin'ny fahotana nataony avy.

17 Aza manao ny tsy an-drariny amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho antoka.

18 Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa hianao, saingy navotan'ny Tompo Andriamanitrao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany. 19 Raha mijinja ny varinao any an-tsaha hianao, ka misy amboara hadinonao any an-tsaha, aza miverina haka izany intsony, fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao amin'ny asan-tànanao rehetra.

20 Raha manintsana ny fototr'olivanao hianao, dia aza savana indray ato aoriana, fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ny sisa mijanona. 21 Raha mioty ny voalobokao hianao, dia aza tsimponina indray aty aoriana ny salohiny sisa, fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. 22 Tsarovy fa efa mba andevo tany amin'ny tany Ejipta koa hianao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1061