Ny Detoronomy

Toko faha-29

1 Niantso an'Israely rehetra Moizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon'ny Tompo teo imasonareo, tany amin'ny tany Ejipta, tamin'i Faraona sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,

2 dia ny fizahan-toetra lehibe, ireo famantarana amam-pahagagana lehibe efa hitan'ny masonao. 3 Mandrak'androany anefa dia mbola tsy nomen'ny Tompo fo mahalala sy maso mahita ary sofina mahare hianareo. 4 Efapolo taona no nitondrako anareo tany an'efitra; nefa ny fitafiana teny an-koditrareo tsy tonta, ny kapa tamin'ny tongotrareo tsy tonta, 5 tsy mofo nohaninareo, tsy divay na labiera nosotroinareo; mba hahazoanareo mahalala fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 6 Toy izany no nahatongavanareo teto amin'ity toerana ity. Nivoaka nitsena antsika hiady tamintsika Sehona mpanjakan'i Hesebona, sy Oga mpanjakan'i Basàna, fa resintsika, 7 ka nalaintsika ny taniny, dia nomentsika ho zaratanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'ny Manasita. 8 Koa tandremo ary ny tenin'ity fanekena ity, ary araho izy, mba hahomby hianareo, amin'izay rehetra hataonareo. 9 Miseho eto anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo, ny fokonareo, ny loholonareo, ny mpifehy anareo, ny lehilahy rehetra amin'Israely,

10 ny zanakareo sy ny vadinareo ary ny vahiny eo an-tobinao hatramin'ny mpikapa hazonao ka hatramin'ny mpantsaka ranonao, 11 mba hiditra amin'ny faneken'ny Tompo Andriamanitrao, sy amin'ny fianianany; dia ny fanekena izay ataon'ny Tompo Andriamanitrao aminao anio, 12 mba hanandratany anao anio ho vahoakany, dia izy no ho Andriamanitrao, araka ny nolazainy taminao sy nianianany tamin'ny razanao Abrahama sy Isaaka ary Jakoba. 13 Tsy aminao ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao, 14 fa amin'izay rehetra eto amintsika anio, eto anatrehan'ny Tompo Andriamanitsika, sy amin'ireo tsy eto amintsika anio koa na iza na iza. 15 Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay namakiantsika ny tanin'ny firenena izay nandalovanareo;

16 efa hitanareo ny fahavetavetan'izy ireo sy ny sampy vato aman-kazo, volafotsy amam-bolamena, tany amin'izy ireo. 17 Koa aoka tsy hisy aminareo anio, na lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily miala amin'ny Tompo Andriamanitsika, mba handeha hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho fototra hiteraka poizina sy absinta. 18 Aoka tsy hisy amin'izay mandre ny tenin'ity fianianana ity, hihambo anankam-pony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran'ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta. 19 Tsy hanaiky hamela heloka izany olona izany Iaveh, fa hirehitra amin'izany olona izany ny hatezeran'ny Tompo sy ny fahasarotam-piarony ka hianjera aminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin'ity boky ity, ary hovonoin'ny Tompo tsy ho eto ambanin'ny lanitra ny anarany. 20 Hosarahin'ny Tompo amin'ny fokon'Israely rehetra izy, ka hatolony amin'ny loza, araka ny fanozonana momba ny fanekena voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity. 21 Ny taranaka any aoriana, ny zanakareo mbola ho teraka handimby anareo mbamin'ny vahiny avy any amin'ny tany lavitra, hahita ny loza sy ny aretina hamelin'ny Tompo izany tany izany, 22 dia ny solfara sy ny sira, fanakilàna an'izany tany rehetra izany, izay hofafazana tsy hanome vokatra avy aminy, tsy haniriana ahitra akory, toy ny tamin'ny fikorontanan'i Sodoma sy Gomora, Adamà sy Seboima, izay nakorontan'ny Tompo tamin'ny fahatezerany amam-pahavinirany, 23 ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana Iaveh no dia nanao izao tamin'izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe: 24 Noho izy ireo nahafoy ny fanekena tamin'ny Tompo Andriamanitry ny razany, izay nataony tamin'izy ireo, fony izy nampivoaka azy avy tany amin'ny tany Ejipta, 25 ka nandeha nanompo andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehan'ireny andriamanitra tsy fantany akory, na nomen'ny Tompo ho anjarany, 26 dia nirehitra tamin'izany tany izany ny fahatezeran'ny Tompo, nazerany taminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin'ity boky ity. 27 Fahatezerana sy fahavinirana amam-pisafoahana lehibe no nanatsoahan'ny Tompo azy hiala amin'ny taniny, sy nanilihany azy ho any an-tany hafa, tahaka izao ankehitriny izao: 28 Ny zava-miafina, an'ny Tompo Andriamanitsika; fa ny zava-nambara kosa, antsika sy ny taranatsika mandrakizay, mba hanatanterahantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0462