Ny Detoronomy

Toko faha-3

1 Dia nihodina isika ka niakatra tamin'ny làlana mankany Basàna, ary nivoaka hifanehatra amintsika Oga mpanjakan'i Basàna mbamin'ny vahoakany rehetra, mba hiady amintsika tao Edraìa.

2 Hoy Iaveh tamiko: Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tànanao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an'i Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nonina tany Hesebona. 3 Koa natolotry ny Tompo Andriamanitsika teo an-tànantsika koa Oga mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny vahoakany rehetra; dia nasiantsika izy mandra-paha-tsy nisy niangana ny vahoakany na dia iray aza. 4 Afatsika ny tanànany rehetra tamin'izay; tsy nisy tsy azontsika tamin'ireny na dia iray aza, dia tanàna enimpolo, ny faritany Argoba rehetra, ny fanjakan'i Oga tany Basàna. 5 Tanàna mimanda daholo ireo tanàna rehetra ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady ary hidiny avokoa; ary mbola tsy anisan'izany ny tanàna tsy mimanda be dia be. 6 Nataontsika anatema izy, toy ny nanaovantsika an'i Sehona, mpanjakan'i Hesebona; natao anatema ny tanàna, ny lehilahy, ny vehivavy sy ny zaza; 7 fa ny biby fiompy sy izay mety ho babo tao amin'ny tanàna no norobaintsika ho antsika. 8 Koa tamin'izany andro izany dia azontsika tamin'ny mpanjakan'ny Amoreana roa, ny tany any an-dafin'i Jordany, hatramin'ny ranon-driaka Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona;

9 Sariona no iantsoan'ny Sidoniana an'i Hermona, ary Sanira no iantsoan'ny Amoreana azy; 10 dia ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka, Galaada rehetra ary Basàna rehetra, hatrany Selkà sy Edraìa, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga tany Basàna. 11 Oga mpanjakan'i Basàna, no hany taranaky ny Refaïma sisa tavela. Moa tsy ao Rabata va ao amin'ny taranak'i Amona, ny farafarany, farafara vy? Sivy hakiho ny halavany, efatra hakiho ny sakany, amin'ny hakihon-dehilahy. 12 Dia azontsika tamin'izay, izany tany izany. Nomeko ny Robenita sy ny Gadita ny hatrany Aroera izay manerinerina amin'ny lohasahan'i Arnona sy ny antsasaky ny tendrombohitr'i Galaada mbamin'ny tanànany.

13 Ary nomeko ny antsasaky ny fokon'i Manase ny sisa amin'i Galaada sy ilay faritanin'i Basàna manontolo izay fanjakan'i Oga. Ny tany Argoba rehetra sy Basàna rehetra no atao hoe tanin'ny Refaïma. 14 Jaira, zanak'i Manase no nahazo ny tany Argoba, hatramin'ny sisin-tanin'ny Gesoriana sy ny Makatiana, ary nantsoiny amin'ny anarany ny vohitr'i Basàna izay atao hoe vohitr'i Jaira, mandrak'androany. 15 Nomeko an'i Makira Galaada. 16 Ny Robenita sy ny Gadita nomeko ny sasany amin'i Galaada hatramin'ny ranon-driaka Arnona, ny am-pamatonan'ny lohasaha no faritra aminy, hatramin'ny ranon-driaka Jabaoka, sisin-tanin'ny zanak'i Amona, 17 mbamin'i Arabaha, ka i Jordany no faritra ao, hatrany Kenereta ka hatrany amin'ny ranomasin'ny Arabaha sy ny ranomasin-tSira eo ambodin'ny kisolososon'i Fasgà any atsinanana. 18 Nanome didy anareo aho tamin'izany andro izany, nanao hoe: Efa nomen'ny Tompo Andriamanitrareo ho fanananareo ity tany ity, koa hianareo rehetra, rahefa mety ho lehilahy matanjaka dia handeha mitam-piadiana eo alohan'ny rahalahinareo, dia ny zanak'Israely.

19 Fa ny vadinareo ihany sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo, fantatro fa manana biby fiompy betsaka hianareo, no hijanona amin'ny tanàna nomeko anareo; 20 mandra-panomen'ny Tompo fitsaharana ny rahalahinareo, tahaka ny nataony taminareo koa, ka mahazo ny tany nomen'ny Tompo azy koa izy any an-dafin'i Jordany. Izay vao samy hiverina amin'ny anjara lova nomeko anareo avy hianareo. 21 Nanome didy an'i Josoe koa aho tamin'izany andro izany nanao hoe: masonao no nahita izay rehetra nataon'ny Tompo Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo. Toy izany koa no hataon'ny Tompo amin'ny fanjakana rehetra halehanao hiadiana.

22 Koa aza matahotra azy hianareo, fa ny tenan'ny Tompo Andriamanitrareo no hiady ho anareo. 23 Nitaraina tamin'ny Tompo aho tamin'izany andro izany, nanao hoe:

24 Ry Iaveh Tompo ô, vao naneho ny halehibeazanao sy ny tànanao mahery tamin'ny mpanomponao hianao, fa na any an-danitra na ety an-tany, aiza moa no misy andriamanitra mahefa ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao? 25 Aoka re aho hita, aoka re aho hahita izany tany soa any an-dafin'i Jordany izany, izany tendrombohitra tsara tarehy sy Libàna! 26 Fa tezitra tamiko Iaveh noho ny aminareo, ka tsy nihaino ahy. Hoy Iaveh tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko ny amin'izany zavatra izany intsony. 27 Miakara any an-tampon'i Fasgà, dia atopazo miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, ka tazano amin'ny masonao, fa hianao tsy hita io Jordany io. 28 Josoe no omeo didy, dia ankaherezo sy hatanjaho, fa izy no handeha eo alohan'ity vahoaka ity, ary izy no hampahazo azy ny tany izay ho hitanao. 29 Dia nijanona teo an-dohasaha tandrifin'i Bet-Fogora isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1382