Ny Detoronomy

Toko faha-31

1 Ary nanao izao teny izao tamin'Israely rehetra koa Moizy ka nanao tamin'izy ireo hoe:

2 Efa roapolo amby zato taona androany aho izao, ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony, ary Iaveh efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita an'io Jordany io hianao. 3 Iaveh Andriamanitrao no hita eo alohanao, izy no handringana ireo firenena ireo eo anoloanao, ka dia hahazo azy ireo hianao. Josoe no hita eo alohanao, araka ny voalazan'ny Tompo. 4 Toy ny nataon'ny Tompo tamin'i Sehona sy Oga, mpanjakan'ny Amoreana, izay naringany mbamin'ny taniny, no hataony amin'ireo koa. 5 Hatolotry ny Tompo aminareo izy, ka ataovy araka ny lalàna rehetra nandidiako anareo. 6 Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin'ireo akory, satria Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao izy na handao anao. 7 Dia nantsoin'i Moizy Josoe, ka hoy izy taminy, teo anatrehan'Israely rehetra: Mahereza ary matanjaha tsara, fa hianao no hiditra miaraka amin'ity vahoaka ity, any amin'ny tany efa nianianan'ny Tompo tamin'ny razany homena azy ireo; ary hianao no hampanana azy ireo izany.

8 Fa Iaveh no handeha eo alohanao, izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao izy, ka aza matahotra na mivadi-po hianao. 9 Nosoratan'i Moizy izany lalàna izany, dia natolony tamin'ny mpisorona, taranak'i Levì mpitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, mbamin'ny loholon'Israely rehetra.

10 Ary nomeny izao didy izao izy: Aorian'ny isam-pito taona amin'ny fotoan'ny taom-panafahana, amin'ny fetin'ny Tabernakla, 11 raha ilay tonga hiseho eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao iny Israely rehetra, any amin'ny fitoerana izay hofidiny; dia vakio eo anatrehan'Israely rehetra ity lalàna ity, mba hohenoiny. 12 Vorio avokoa ny vahoaka, na lahy na vavy, na ankizy na vahiny eo anatin'ny vavahadinao, mba hihaino ka hianatra ny hatahotra an'ny Tompo Andriamanitrareo, ka hitandrina tsara sy hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity. 13 Ary handre izany ny zanany, izay tsy mahalala, ka hianatra ny hatahotra an'ny Tompo Andriamanitrareo, amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany izay efa hankanesanareo hanananareo azy, rahefa tafita an'i Jordany hianareo. 14 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Indro, antomotra ny fotoana hahafatesanao; koa antsoy Josoe, ary tongava ao an-trano lay fihaonana hianareo, mba hanomezako azy ny didiko. Dia nandeha nankao an-trano lay fihaonana Moizy sy Josoe,

15 ka niseho tao an-trano Iaveh tamin'ny andry rahona, ary nijanona teo am-baravaran'ny trano lay fihaonana. 16 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Indro efa ho tafandriana any amin'ny razanao hianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin'ny andriamani-kafa any amin'ny tany efa hidirany. Handao ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.

17 Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny tavako, ka dia hataon'ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran'izao fahoriana izao amiko? 18 Izaho anefa amin'izany andro izany dia hanakona ny tavako noho ny ratsy rehetra nataony, tamin'ny niviliany hanaraka andriamani-kafa. 19 Koa soraty izao tonon-kira izao. Ampianaro ny zanak'Israely izany, ary ataovy eo am-bavany mba ho vavolombelona hoentiko miampanga ny zanak'Israely izany tonon-kira izany. 20 Satria izy ireo rahefa tafiditra eo amin'ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana, tany tondra-dronono sy tantely, ka efa nihinana sy voky, ary nihamatavy, dia amin'izay izy no hivily hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy ary haniratsira ahy sy hivadika ny fanekeko. 21 Koa rahefa idiran-doza amam-pahoriana be izy, dia izao tonon-kira izao no ho vavolombelona hiampanga azy, fa tsy ho very tadidy, tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao. Satria efa fantatro izay saina ao aminy hatramin'ny ankehitriny, na dia alohan'ny hampidirako azy any amin'ny tany nampanantenaiko tamim-pianianana aza. 22 Dia nosoratan'i Moizy androtr'izay ihany izany tonon-kira izany, ka nampianariny ny zanak'Israely. 23 Ary Iaveh nanome didy an'i Josoe, zanak'i Nòna, ka nanao taminy hoe: Mahereza ary matanjaha tsara fa hianao no hampiditra ny zanak'Israely any amin'ny tany nampanantenaiko azy tamim-pianianana, ary izaho homba anao.

24 Nony efa tapitra voasoratr'i Moizy tamin'ny boky anankiray ny tenin'ity lalàna ity,

25 dia nanome izao didy izao tamin'ny Levita mpitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo izy: 26 Raiso ity bokin'ny lalàna ity ka apetraho eo anindran'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo Andriamanitrareo, ka eo izy dia ho vavolombelona miampanga anao. 27 Fa fantatro ny ditran'ny fonao sy ny hamafy hatokao; amin'izao aho mbola velona eo aminareo izao aza, efa niodina tamin'ny Tompo hianareo, ka mainka izany fa rahefa maty aho. 28 Koa vorio eto amiko ny loholona rehetra amin'ny fokonareo sy ny mpitsara anareo, dia hanonona izao teny izao amin'ny sofiny aho, ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona miampanga azy. 29 Satria fantatro fa rahefa maty aho, dia hihasimba marina tokoa hianareo dia hivily hiala amin'ny làlana nasaiko nalehanareo hianareo, ka ho tratry ny loza, any amin'ny andro aoriana any, noho hianareo nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo sy nampahatezitra azy tamin'ny asan-tànanareo. 30 Dia nolazain'i Moizy hatramin'ny farany, teo an-tsofin'ny fiangonan'Israely rehetra, izao tonon-kira izao:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0377