Ny Detoronomy
Detoronomy toko 4
Famporisihana tsy hivadika amin'Iaveh - Tanàna fialofana any an-dafin'i Jordany - Lahateny faharoa nataon'i Moizy.
1Ary ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona hianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo. 2Aza manampy izay andidiako anareo, na manala amin'izany akory, fa tandremo ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo. 3Masonareo no nahita ny nataon'ny Tompo, noho ny amin'i Baala-Fogora. Naringan'ny Tompo teo afovoanareo avokoa izay rehetra nanaraka an'i Baala-Fogora; 4fa hianareo rehetra nifikitra tamin'ny Tompo Andriamanitrareo kosa, mbola samy velona daholo izao anio izao. 5Efa notoroako didy amam-pitsipiko hianareo araka ny nandidian'ny Tompo ahy hitandremanareo izany any amin'ny tany idiranareo hanananareo azy. 6Koa tandremo sy tanteraho izany, fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason'ny firenena izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe: Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io! 7Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an'ny Tompo Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika azy? 8Ary zovy no firenen-dehibe manan-didy amam-pitsipika marina, toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao?
9Kanefa mitandrema tena hianao, ary tandremo tsara ny fanahinao, fandrao manadino ny zavatra hitan'ny masonao, na mamela azy hiala amin'ny fonao, na dia indray andro amin'ny fiainanao aza, fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany. 10Tsarovy ny andro nisehoanao teo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao, tany Horeba, fony Iaveh nilaza tamiko hoe: Angony ho aty amiko ny vahoaka fa hampandrenesiko azy ny teniko, mba hianarany matahotra ahy, amin'ny andro rehetra hiainany eto ambonin'ny tany, sy hampianariny ny zanany koa. 11Dia nanatona hianareo, ka nitoetra teo am-bodin'ny tendrombohitra, ary ny tendrombohitra nirehitra afo nanakatra ny tampon'ny lanitra teo afovoan'ny aizina sy rahona aman'aizim-pito. 12Izay vao niteny taminareo tao anatin'ny afo Iaveh, ka renareo ny feony miteny, fa tsy hitanareo endrika izy; feo ihany no renareo. 13Namoaka ny fanekeny izay nodidiany hotandremanareo izy, dia ny didy Folo; ary nosoratany tamin'ny takelaka vato roa izany. 14Nodidian'ny Tompo aho, tamin'izany andro izany, hampianatra didy amam-pitsipika anareo, mba harahinareo any amin'ny tany efa hidiranareo mba hakanareo azy ho fanananareo.
15Koa rahefa tsy nahita endrika akory hianareo, tamin'ny andro nitenenan'ny Tompo taminareo, tao anatin'ny afo tany Horeba, dia tandremo tsara ny fanahinareo, 16sao dia miharatsy hianareo, ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, dia sarin-tsampy na inona na inona izany: sarin-dehilahy na vehivavy, 17sarim-biby miaina ety ambonin'ny tany, na sarim-borona manidina eny amin'ny habakabaka, 18sarim-biby mandady amin'ny tany, sarin-kazandrano mivelona anaty rano ambanin'ny tany; 19fandrao raha miandrandra ny lanitra hianao, ka mahita ny masoandro amam-bolana sy ny kintana, dia ny zavatra rehetra milahatra eny an-danitra, dia ho voatarika hiankohoka eo anatrehan'ireny sy hanao fombam-pivavahana aminy; nefa ireny, dia nomen'ny Tompo Andriamanitrao ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra, ho anjarany; 20fa hianareo, dia nalain'ny Tompo ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, dia tany Ejipta, mba ho tonga ilay vahoaka voatokana ho lovany tahaka izao ankehitriny izao.
21Ary tezitra tamiko Iaveh noho ny aminareo, ka nianiana izy fa tsy hìta an'i Jordany aho, ary tsy hiditra any amin'ny tany soa omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho lovanao. 22Ho faty amin'ity tany ity aho, fa tsy hìta an'i Jordany, fa hianareo no hìta azy, sy hanana izany tany soa izany.
23Mitandrema tena hianareo, mba tsy hanadino ny fanekena nataon'ny Tompo Andriamanitrareo taminareo, sy tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anareo, dia ny sarin-javatra na inona na inona, nandraran'ny Tompo Andriamanitrareo anareo. 24Fa Iaveh Andriamanitrao anie, ka afo mandevona, sy Andriamanitra saro-piaro.
25Rahefa avy izay hiterahanareo sy hahaloa-jafy anareo ka efa ela no nonenanareo tamin'ny tany, raha miharatsy hianareo, ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, na sarin'inona izany na sarin'inona, ka manao izay ratsy eo imason'ny Tompo Andriamanitrareo, mba hampahatezitra azy, 26dia miantso ny tany aman-danitra aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa vetivety foana hianareo, dia ho fongotra eo amin'ny tany izay halehanareo hakanareo azy ho fanananareo, amin'ny fitànareo an'i Jordany; tsy ho lava andro ao hianareo, fa haringana mihitsy. 27Haelin'ny Tompo any amin'ny firenena hianareo, ka ho olom-bitsy any afovoan'ny firenena hitondran'ny Tompo anareo. 28Asan-tànan'olombelona no andriamanitra hotompoinareo any, dia vato aman-kazo izay tsy mahita, na mandre na mihinana na manimbolo. 29Any hianareo hitady an'ny Tompo Andriamanitrareo, ka hahita azy hianao raha mitady azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra. 30Ao anatin'ny fahoriana manjò anao, rahefa zoin'ireo zavatra rehetra ireo hianao any amin'ny andro farany any, dia hiverina amin'ny Tompo Andriamanitrao hianao, ka hihaino ny feony; 31satria Andriamanitra mamindra fo Iaveh Andriamanitrao, ka tsy hahafoy anao na handringana anao; tsy hanadino ny fanekeny tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy.
32Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin'ny andro naharian'Andriamanitra ny olombelona teto ambonin'ny tany sy hatramin'ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana! 33Vahoaka aiza no efa nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao anatin'ny afo toy ny efa renao, ka mbola velona ihany izy? 34Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan'ny firenena iray hafa, tamin'ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tànana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon'ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta? 35Hianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao, fa Iaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy izy. 36Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao izy, sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany; ary nandre ny teniny tao anatin'ny afo hianao. 37Noho ny fitiavany ny razanao, dia nifidy ny fara mandimby azy ireo izy, ka nampivoaka anao avy tany Ejipta, tamin'ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe, 38handroahany firenena maro sady matanjaka noho hianao teo anoloanao, mba hampidirany anao amin'ny taniny, sy hanomezany izany ho lovanao, araka izao ankehitriny izao. 39Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa Iaveh no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony, sy ety amin'ny tany ambany ary tsy misy hafa. 40Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra hianao dia hianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin'ny taona mifandimby rehetra any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao.
41Tamin'izany Moizy dia nanokana tanàna telo any an-dafin'i Jordany any atsinanana, 42ho fialofan'izay nahafaty ny namany tsy nahy, fa tsy fahavalony teo aloha, mba ho velona aina izay mandositra amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo.
43Dia Bosora any an'efitra amin'ny tany lemaka, ho an'ny Robenita; Ramota any Galaada, ho an'ny Gadita; ary Golàna any Basàna ho an'ny Manasita.
44Izao no lalàna nambaran'i Moizy teo anatrehan'ny zanak'Israely, 45dia didy aman-dalàna sy fitsìpika nomen'i Moizy ny zanak'Israely tamin'ny nivoahany tany Ejipta, 46tany an-dafin'i Jordany tao an-dohasaha tandrifin'i Bet-Fogora, amin'ny tanin'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, nonina tao Hesebona, izay noresen'i Moizy sy ny zanak'Israely tamin'ny nivoahany tany Ejipta. 47Naka ny tanin'io ho fananany izy ireo mbamin'ny an'i Oga mpanjakan'i Basàna, an-dafin'i Jordany any atsinanana; 48hatramin'i Aroera amoron'ny ranon-driaka Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Siona, dia Hermona izany, 49mbamin'ny Arabaha rehetra an-dafin'i Jordany, any atsinanana, ka hatramin'ny ranomasin'ny Arabaha eo ambodin'i Fasgà. >