Ny Detoronomy

Toko faha-7

1 Raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo Andriamanitrao anao any amin'ny tany halehanao hakana azy ho fanananao, ary firenena maro no efa voaroakany eo anoloanao, ny Heteana, ny Gergeseana, ny Amoreana, ny Kananeana, ny Fereseana, ny Heveana, ary ny Jeboseana, ny firenena fito, maro isa sady mahery noho hianao,

2 ka ho efa voatolotry ny Tompo Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza hanaovanao fanekena akory izy ireo, na hanananao antra. 3 Aza maka vady amin'ireny; aza omena ho vadin'ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary aza alaina ho vadin'ny zanakao lahy ny zanany vavy; 4 fa havilin'ireny tsy hanaraka ahy ny zanakao lahy izay hanompo andriamani-kafa, ka hirehitra aminareo ny fahatezeran'ny Tompo, dia haringany vetivety hianao. 5 Fa izao no ataovy amin'izy ireo: ravao ny oteliny, montsany ny tsangam-batony, kapao ny aserimany, ary doroy amin'ny afo ny sarin-javatra voasokiny; 6 satria vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao hianao. Hianao no nofidin'ny Tompo Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana eo amin'ny vahoaka hafa rehetra ambonin'ny tany. 7 Tsy noho hianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa, no niraiketan'ny Tompo taminareo sy nifidianany anareo; vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza hianareo; 8 fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin'ny razanareo, dia nentin'ny Tompo nivoaka, tamin'ny tànana mahery, sy navotany tamin'ny trano fanandevozana hianareo, dia tamin'ny tànan'i Faraona mpanjakan'i Ejipta. 9 Koa aoka ho fantatrao àry fa Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin'ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin'ny taranaka faharivo amin'izay tia azy sy mitandrina ny didiny.

10 Fa mamaly an-kitsirano kosa an'izay mankahala azy, amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra akory izy ny amin'izay mankahala azy, fa hovaliany ankitsirano izao. 11 Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsìpika andidiako anao anio, ka tanteraho izany. 12 Raha mihaino ireo fitsìpika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka izany, dia hotanterahin'ny Tompo Andriamanitrao aminao kosa, ny fanekena amam-pamindram-po efa nianianany tamin'ny razanao.

13 Ho tiany sy hosoaviny ary hampitomboiny hianao, hosoaviny ny naterakao sy ny vokatry ny taninao koa, dia ny varinao, ny ranom-boalobokao vaovao, ny diloilonao, ny terak'ombinao, ny zanak'ondrinao, any amin'ny tany nianianany tamin'ny razanao homena anao. 14 Hohasoavina mihoatra noho ny firenena rehetra hianao, tsy hisy momba aminao, na lahy na vavy, na amin'ny biby fiompinao. 15 Hampanalavirin'ny Tompo anao ny aretina rehetra, ary tsy hisy halefany aminao akory ny areti-mandoza nanjo an'i Ejipta izay fantatrao; fa izay rehetra mankahala anao no hampahoriny amin'ireny. 16 Levòny ny vahoaka rehetra hatolotry ny Tompo Andriamanitrao anao; aza miantra azy ny masonao; ary aza manompo izay andriamaniny, fa ho fandrika ho anao izany. 17 Ary raha hoy hianao anakampo hoe: Firenena maro noho izaho ireo, ka hataoko ahoana no fandroaka azy?

18 dia aza matahotra azy, fa tsarovy ao an-tsainao ny nataon'ny Tompo Andriamanitrao, tamin'i Faraona sy Ejipta rehetra. 19 Masonao no nahita ny fampahoriana lehibe, ny fahagagana sy ny zavatra mahatalanjona, ny tànana mahery aman-tsandry ahinjitra izay nampivoahan'ny Tompo Andriamanitrao anao; toy izany no hataon'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny vahoaka rehetra atahoranao. 20 Fa na hisy ho afa-mandositra hiery tsy ho hitanao aza, dia handefasan'ny Tompo Andriamanitrao fanenitra hamely azy mandra-paharingany. 21 Aza mivadi-po amin'izy ireo, fa eo afovoanao Iaveh Andriamanitrao, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra. 22 Horoahin'ny Tompo Andriamanitrao tsikelikely eo anatrehanao ireo firenena ireo; tsy ho azonao ringanina vetivety izy, fandrao dia mihamaro ny biby dia, ka hamely anao. 23 Hatolotry ny Tompo Andriamanitrao anao izy; ary hataony mivarahontsana foana, mandra-pahalany ringana azy. 24 Hatolony eo an-tànanao ny mpanjakan'izy ireo, ary ho foananao aty ambanin'ny lanitra ny anaran'ireny. Tsy hisy olona hahatohitra anao mandra-paharinganao azy. 25 Dory amin'ny afo ny sarin'ny andriamaniny voasokitra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason'ny Tompo Andiramanitrao izany. 26 Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa hianao; aoka ho zavatra halanao indrindra, ho zava-betaveta indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0461