Ny Detoronomy

Toko faha-9

1 Mihainoa ry Israely. Ndeha hita an'i Jordany hianao izao, ary handroso haka firenena maro lehibe sy mahery noho hianao, tanàna lehibe misy manda manakatra ny lanitra.

2 Vahoaka vaventy, lava, taranaky ny Enakima, izay fantatrao sy renao laza hoe: Zovy no hahatohitra ny taranak'i Enàka? 3 Koa aoka ho fantatrao anio, fa Iaveh Andriamanitrao, no hita eo alohanao, toy ny afo mandevona, izy no handringana azy ireny, izy no hampietry azy eo anoloanao, dia handroaka azy hianao sy handringana azy haingana, araka ny voalazan'ny Tompo taminao. 4 Rahefa roahin'ny Tompo Andriamanitrao eo anoloanao ireny, aza manao anakam-po hoe: Noho ny fahamarinako no nitondran'ny Tompo ahy haka ity tany ity hananako azy; noho ny haratsian'ireo firenena ireo no androahan'ny Tompo azy eo anoloanao.

5 Tsy noho ny fahamarinanao na ny hitsim-ponao no andehananao haka ny taniny ho fanananao, fa noho ny haratsian'ireo firenena ireo no androahan'ny Tompo Andriamanitrao azy eo anoloanao, ary koa mba hahatanterahan'ny teny efa nianianan'ny Tompo tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba razanao. 6 Koa aoka ho fantatrao, fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'ny Tompo Andriamanitrao izany tany soa izany ho fanananao, fa vahoaka mafy hatoka hianao. 7 Tsarovy ka aza hadinoinao, fa nanao ahoana moa no nampahatezeranao an'ny Tompo Andriamanitrao tany an'efitra. Hatramin'ny andro nivoahanao tany amin'ny tany Ejipta, ka hatramin'ny nahatongavanao teto amin'ity fitoerana ity, dia niodina tamin'ny Tompo ihany hianareo.

8 Tany Horeba aza dia nihantsy ny fahatezeran'ny Tompo hianareo, ka tezitra taminareo Iaveh, ka saika handringana anareo.

9 Fony aho niakatra tany an-tendrombohitra handray ny takelaka vato, - ireo takelaky ny fanekena nataon'ny Tompo taminareo - nijanona tany an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano, 10 dia nomen'ny Tompo ahy ny takelaka vato roa, nosoratan'ny rantsan-tànan'Andriamanitra sy misy ny teny rehetra nolazain'ny Tompo taminareo tany an-tendrombohitra, tao afovoan'ny afo, tamin'ny andro nivoriana. 11 Nony tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina, vao nomen'ny Tompo ahy ny takelaka vato roa, ny takelaky ny fanekena. 12 Tamin'izay dia hoy Iaveh tamiko: Mitsangàna ka midìna faingana miala eto, fa nihasimba ny vahoakanao nentinao nivoaka avy tany Ejipta: vetivety foana dia niviliany ny làlana nasaiko nalehan'izy ireo; fa nanao sarin-javatra anidina ho azy izy. 13 Ary hoy Iaveh tamiko: Hitako fa vahoaka mafy hatoka ity vahoaka ity. 14 Avelao haringako izy, ho foanako tsy ho aty ambanin'ny lanitra ny anarany, fa hianao kosa no hataoko firenena mahery sy maro isa noho ity vahoaka ity. 15 Dia nihodina aho, ka nidina avy tany an-tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo, ary ny takelaka roa nisy fanekena teny an-tànako roa.

16 Nijery aho, ka indreo hianareo fa efa nanota tamin'ny Tompo Andriamanitrareo; nanao zanak'omby anidina ho anareo hianareo, ary nivily haingana niala tamin'ny làlana nasain'ny Tompo nalehanareo. 17 Koa noraisiko ny takelaka roa, dia tànako no nanjera azy, ary namakivaky azy teo imasonareo aho. 18 Ary niankohoka teo anatrehan'ny Tompo tahaka ilay teo aloha aho, efapolo andro sy efapolo alina, tsy nihinan-kanina na nisotro rano noho ny fahotana rehetra nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'ny Tompo ka nahatezitra azy. 19 Satria tsiravina aho nahita ity hatezerana amam-pahavinirana nirehetan'ny Tompo taminareo, ka efa saika hataony levona hianareo, saingy mbola nihaino ahy indray Iaveh tamin'izay. 20 Tezitra mafy tamin'i Aarona koa Iaveh, ka efa saika hataony levona izy; ary nifona ho an'i Aarona koa aho tamin'izany andro izany. 21 Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak'omby volamena ka nodorako tamin'ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin'ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany. 22 Nampahatezitra an'ny Tompo koa hianareo, tany Tabeerà sy Masah, ary Kibrota-Hataavà.

23 Ary raha nasain'ny Tompo handeha avy ao Kadesa-Barne hianareo, nataony hoe: Miakara, alaovy ho anareo ny tany izay omeko anareo; dia notoherinareo ny tenin'ny Tompo Andriamanitrareo, fa tsy nino azy hianareo na nanaiky ny feony. 24 Niodina tamin'ny Tompo ihany hianareo hatramin'izay andro nahalalako anareo izay. 25 Niankohoka teo anatrehan'ny Tompo ihany aho, nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina, izay niankohofako; satria efa nilaza handringana anareo Iaveh.

26 Nifona tamin'ny Tompoy aho, ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, aza mandringana ny vahoakanao, ny lovanao, izay navotanao tamin'ny fahalehibeazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin'ny tànanao mahery. 27 Tsarovy Abrahama sy Isaaka ary Jakoba mpanomponao, fa aza heverinao ny ditran'ity vahoaka ity, na ny faharatsiany amam-pahotany, 28 fandrao dia lazain'ny tany namoahanao anay hoe: Tsy azon'ny Tompo natao ny nampiditra azy ireo any amin'ny tany nampanantenainy azy; sady halany izy ireo ka izany no namoahany azy, mba hahafaty azy aty an'efitra. 29 Kanefa ireo no vahoakanao sy lovanao izay navoakanao avy tany Ejipta, tamin'ny herinao lehibe sy tamin'ny sandrinao nahinjitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0874