Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-3

1 Ary noho izany, izaho Paoly mpifatotry ny Kristy Jesoa noho ny aminareo jentily -

2 raha mba renareo ihany ny fanambarana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, 3 izany hoe, ny fanambarana nampahafantatra ahy ny zava-miafina vao nalazako tamin'ny teny fohifohy teo. 4 Ny famakiana izany no hahaizanareo mamantatra ny fahalalako ilay zava-miafina tao amin'ny Kristy, 5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka tany aloha, toy ny nanambarana azy ankehitriny tamin'ny Apostoliny masina sy ny mpaminaniny ao amin'ny Fanahy, 6 dia izao: Ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin'ny Jody ao amin'ny Kristy Jesoa, noho ny ninoany ny Evanjely; 7 ary izaho no voatendry ho mpandraharaha amin'izany, araka ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra nomena ahy tamin'ny herin'ny fahefany. 8 Eny, izaho izay kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin'ny jentily ny haren'ny Kristy tsy hita pesipesenina, 9 sy ny hanazava amin'ny olona rehetra ny filaharan'ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin'Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra. 10 Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin'ny alalan'ny Eglizy, ka tonga fantatr'ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan'Andriamanitra mamoron-kevitra, 11 araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin'ny Kristy Jesoa Tompontsika, 12 izay ananantsika fahasahiana hanatona an'Andriamanitra amam-pahatokiana noho ny finoana azy. 13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitra ho anareo izany. 14 Eny, noho izany no andohalehako amin'ny Ray,

15 izay angalan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana, 16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin'ny Fanahy, 17 sy ny hitoeran'ny Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin'ny fitiavana hianareo, 18 ka hiara-mahafantatra tsara amin'ny olo-masina rehetra izay sakany sy lavany, ary hahavony sy halaliny, 19 sady hahalala ny fitiavan'ny Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon'ny hafenoan'Andriamanitra rehetra hianareo. 20 Ary ho an'ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,

21 eny, ho azy anie ny voninahitra ao amin'ny Eglizy, sy ao amin'ny Kristy Jesoa, hatramin'ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0881