Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-4

1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin'ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo hianareo,

2 amin'ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin'ny fahari-po, amin'ny fifandeferana, amim-pitiavana; 3 mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban'ny fihavanana; 4 fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; 5 tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, 6 ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra. 7 Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen'ny Kristy antsika tsirairay avy.

8 Izany no anaovan'ny Soratra Masina hoe: Niakatra any ambony izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an'ny olona. 9 Inona no ilazana hoe niakatra izy, afa-tsy noho izy efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? 10 Ary tsy iza ilay nidina fa ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. 11 Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,

12 mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin'ny fandavorariana ny olona masina, dia amin'ny fandrafetana ny tenan'ny Kristy, 13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak'Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan'ny Kristy; 14 dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon'ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan'ny olona ho amin'ny hevi-diso; 15 fa hanaraka ny marina amin'ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin'ny zavatra rehetra, amin'ny firaisana amin'ny Loha, dia ny Kristy. 16 Izy no iankinan'ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin'ny fitiavana. 17 Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin'ny Tompo: Aza manao fitondran-tenan-jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany,

18 fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan'Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambam-pony, 19 ka lany henatra dia navarin'ny filan-dratsiny tamin'ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. 20 Fa hianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala ny Kristy, 21 raha izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin'i Jesoa, 22 hiala amin'ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban'ny fitaky ny filan-dratsy, 23 mba hohavaozina ao amin'ny saina amam-panahinareo hianareo, 24 ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an'Andriamanitra amin'ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa. 25 Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra.

26 Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27 Aza omena fidirana ny demony. 28 Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tànana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza. 29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin'ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan'izay mihaino fahasoavana.

30 Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin'ny andro fanavotana. 31 Esory aminareo rahefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. 32 Fa aoka hianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan'Andriamanitra anareo ao amin'ny Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0452