Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana
Efeziana toko 5, 21-33
<21Ary mahaiza mifanoa amim-pahatahorana ny Kristy.
22Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo; 23fa ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka ny Kristy no lohan'ny Eglizy izay vatany sy manana azy ho Mpamonjy. 24Koa tahaka ny aneken'ny Eglizy ny Kristy no tsy maintsy aneken'ny vehivavy ny vadiny koa amin'ny zavatra rehetra. 25Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan'ny Kristy ny Eglizy, sy nahafoizana tena ho azy, 26mba hanamasina azy rahefa nodioviny tamin'ny fanasana amin'ny rano sy ny teny izy, 27ka hanolotra azy ho an'ny tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro 28Toy izany koa no tsy maintsy hitiavan'ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. 29Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon'ny Kristy amin'ny Eglizy, 30satria rantsam-batany, avy amin'ny nofo aman-taolany, isika. 31Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. 32Misy zava-miafina lehibe amin'io, dia mankamin'izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. 33Fa izao: samia hianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny. >