Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Efeziana toko 5, 15-20,

       <15Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, ry rahalahy, aza misary adala, fa mbà hendry; 16hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. 17Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitra-pon'ny Tompo. 18Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy masina hianareo. 19Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. 20Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika. >