Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-13

1 Izay mikasika ny dity dia voaloto, ary izay mikambana amin'ny mpiavona, zary manahaka azy.

2 Aza mametraka enta-mavesatra eo an-tsorokao; ary aza mikambana amin'ny olona mahery sy manankarena noho hianao. Fikambanana inona no azon'ny vilany tany sy vilany varahina, atao? Hopohin'ny vilany varahina ny vilany tany, ka ho montsana io.

3 Ny manankarena manao ny tsy marina ary mangovitra ny hatezerana; ny mahantra asian-dratsy, no miala tsiny.

4 Raha mbola misy soa azonao atao aminy, ampiasainy hianao, ary rahefa tsy manan-katao aminy intsony hianao, dia ariany.

5 Raha mbola manana hianao, hiara-mitoetra aminao izy, hoendahany ny anananao, tsy ahoany akory izany.

6 Misy ilany anao va? hanangoly anao izy, hitsiky aminao, hampanantenantena anao, tsy handala teny soa aminao, ary hilaza aminao hoe: Inona no ilainao?

7 Hozezehiny fanasana hianao, mandra-panendaka anao indroa na intelo; ary amin'ny farany, hihomehezany hianao; rahefa izany hahita anao izy dia hilaozany hianao, sady hampandihy loha eo anatrehanao izy.

8 Mitandrema sao mety hoangoleny hianao, ary sao ho lavo amin'ny fietrena hianao ao anatin'ny fanambinana.

9 Raha ny manam-pahefana no miantso anao, mihemora hianao, ny vao mainka hanasa anao mafy no hataony.

10 Aza mankeo aminy tampoka, fandrao roahiny hianao; ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hadino.

11 Aza mihevitra ny hiresaka aminy toy ny mitovy saranga, ary aza matoky ny resaka be ataony.

12 Fa hotsapainy amin'ny teniny mikararana hianao, ary hanontaniany, somary asiany hehy. Olona tsy manana antra izy, ka tsy hitana ao aminy izay teninao akory. Ary tsy hitsitsy famelezana na famoretana izy, aminao.

13 Mitandrema, ary mitandrema tsara, fa miara-mandeha amin'ny faharavanao hianao.

14 Ny zava-boahary miaina rehetra, dia ny mitovy aminy; ny olombelona rehetra tia ny namany.

15 Ny nofo rehetra miray araka ny karazany; ary ny olombelona rehetra mikambana amin'izay manahaka azy.

16 Fikambanana inona no mety hisy amin'ny amboadia sy ny zanak'ondry; toy izany koa ny amin'ny mpanota sy ny olona tia vavaka.

17 Fihavanana inona no mety hananan'ny amboahaolo sy ny amboa? Fihavanana inona no mety hihavanan'ny mpanankarena sy ny mahantra?

18 Ny ampondra dia no firembin'ny liona any an'efitra; toy izany ny mahantra dia firembin'ny mpanankarena.

19 Halan'ny mpiavonavona, ny fietrena: toy izany koa halan'ny mpanana ny mahantra.

20 Raha ny manankarena no mangozohozo, tohanan'ny sakaizany; fa raha ny ambany kosa no lavo, vao mainka roahin'ny sakaizany.

21 Raha ny mpanana no potraka, maro no mamonjy azy; manao teny tsy misy heviny izy, ankatoavin'ny olona koa. Fa raha ny ambany no potraka, vao mainka koa tsinìna.

22 Raha miteny ny mpanana, mangina avokoa ny olona rehetra, sady deraina manakoako hatrany an-danitra ny lahateniny. Fa raha ny mahantra no miteny, ataony hoe: Mba iza koa io? ary raha manohina izy, alavon'ny olona.

23 Tsara ny harena, raha tsy mikambana amin'ny ota; ary ratsy ny fahantrana, eo am-bavan'ny mpankahala fivavahana.

24 Ny fon'ny olombelona dia manova endrika azy. Mahatonga azy ho tsara na ratsy izy.

25 Ny tarehy miramirana, no mariky ny fo faly: ny asan'ny fieritreretana, no ahitana foto-kevitra mahasoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0457