Bokin'ny Eklesiastika
Eklesiastika toko 17
Ny nahariana ny olombelona; ny fifankahazoany amin'Andrimanitra - Fijeren'Andriamanitra sy fitandremany ny asany rehetra - Aoka hiverina amin'Andriamanitra izay miantra ny halemeny, ny olombelona.
1Nataon'Andriamanitra tamin'ny tany ny olombelona,
ary asainy hiverina amin'ny tany izy.
2Andro voaisa sy fotoa-manam-petra no naraikiny ho an'ny olombelona,
ary nomeny fahefana amin'ny zavatra rehetra ety an-tany izy.
3Nomeny hery araka ny toetrany izy,
ary nataony mitovy endrika aminy.
4Nasiany fahatahorana azy ny nofo rehetra,
ary nomeny fanjakana amin'ny biby amam-borona izy.
5Ny olombelona dia nomeny fahalalana, lela, maso,
sofina, ary fo hihevitra.
6Nofenoiny fahaizana amam-pahalalana izy;
ary nampahalalainy ny tsara sy ny ratsy.
7Nataony tao am-pon'izy ireo ny masony,
hanehoany amin'izy ireo, ny halehiben'ny asany;
8mba hiderany ny anarany masina,
amin'ny fitoriany ny zava-mahagaga amin'ny asany.
9Nomeny azy ireo koa ny fahaizana,
ary nampanana azy ny lalan'ny fiainana izy.
10Nanao fanekena mandrakizay tamin'izy ireo izy,
ary nanambara ny didiny taminy.
11Ny mason'izy ireo nibanjina ny famirapiratan'ny voninahiny;
ny sofiny nandre ny fikarantsan'ny feony mahatalanjona.
12Ary izao no nolazainy taminy: Mitandrema tena hianareo amin'ny tsy fahamarinana rehetra;
dia samy nomeny didy ny amin'ny namany avy izy ireo.
13Eo anatrehany mandrakariva ny lalan'izy ireo;
tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.
14Ny firenena tsirairay, samy nanendreny mpitondra avy,
fa Israely kosa dia anjaran'ny Tompo.
15Eo anatrehany toy ny masoandro ny asan'ireo rehetra;
ary todihiny maso lalandava ny lalany.
16Tsy miafina aminy ny tsy fahamarinan'izy ireo,
ary eo anoloan'ny Tompo avokoa ny fahotany.
17Toy ny tombo-kase ho azy ny asam-pitiavan'ny olombelona;
ary tehiriziny hoatra ny anakandriamaso ny soa ataon'ny olona.
18Rahefa izany dia hitsangana izy, ka hamaly azy ireo araka ny asany,
ary hampianjera amin'ny lohany, araka ny tandrifiny.
19Izay mibebaka anefa, dia ekeny ny hiverenany,
ary izay very fanantenana, alany alahelo.
20Mitodiha ny Tompo hianao, ka miala amin'ny fahotana;
mivavaha eo anoloan'ny tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao.
21Miverena amin'ny Avo Indrindra, miala amin'ny tsy fahamarinana,
ary ankahalao mafy izay vetaveta.
22Iza no hidera ny Avo Indrindra, any amin'ny seoly,
hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra azy?
23Ny olona efa maty tsy mahazo midera fa toy ny tsinontsinona izy,
fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo.
24Endrey ny halehiben'ny famindram-pon'ny Tompo!
sy ny fangoraham-pony an'izay mibebaka aminy!
25Fa tsy mety hisy ao amin'ny olombelona avokoa ny zavatra rehetra;
tsy mba hoe tsy mety maty ny zanak'olombelona.
26Inona no mamirapiratra kokoa noho ny masoandro? Ary mihamaizina anefa izy.
Toy izany ny ratsy fanahy, mihevitra ny nofo aman-dra.
27Ny masoandro, mamangy ny tafiky ny kintana eny an-danitra ambony,
fa ny olombelona dia vovoka sy lavenona ihany avokoa. >