Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-21

1 Anaka, nanota va hianao? aza manao izany intsony, fa raha manatona azy hianao, hokekeriny.

2 Mandosira toy ny eo anatrehan'ny bibilava, eo anatrehan'ny fahotana; fa raha manatona azy hianao, hokekeriny. Nifin-diona ny nifiny, ka mahafaty ny olombelona.

3 Tahaka ny sabatra roa lela, ny fandian-didy rehetra, tsy azo sitranina ny ratra afitsony.

4 Mandrava harena ny fandrahonana amam-panevatevana, izany no naharava ny tranon'ny mpiavonavona.

5 Ny fangatahan'ny mahantra, miakatra avy amin'ny molony ho amin'ny sofin'ny mpanana; fa ho tonga faingana amin'ny mpiavonavona, ny fitsarana azy.

6 Izay mankahala anatra, manara-dia ny mpanota, fa izay matahotra an'Andriamanitra mitodika azy amin'ny fo tsotra.

7 Ny olona mahery am-bavany dia efa manambara tena mbola lavitra any; fa ny olona manan-tsaina, mahalala raha diso izy.

8 Ny olona manao trano amin'ny vola tsy azy, dia tahaka izay manangom-bato ho amin'ny ririnina.

9 Ny andiam-pahavalo, dia tahaka ny antontan-drongony, ka ho rembin'ny afo no hiafarany.

10 Vita ngorodom-bato ny lalan'ny mpanota, fa ny hantsan'ny seoly no any am-parany.

11 Izay mitandrina ny lalana, mamolaka ny heviny; ary ny vokatra faran'ny fahatahorana ny Tompo, dia ny fahendrena.

12 Izay tsy ampy fahakingana tsy ho vita fianarana; nefa misy fahakingana miteraka fahoriana be mangidy.

13 Be hoatra ny rano tondraka, ny fahaizan'ny hendry, ary loharanon'aina ny toroheviny.

14 Toy ny vilany vaky ny fon'ny adala, ka tsy mahatam-pahalalana, na dia iray aza.

15 Raha ny manan-tsaina no mandre teny maneho fahendrena, dia mankalaza izany izy, ary mampitombo azy koa aza. Fa raha mpanaram-batana kosa no mandre izany, halany izany, ary ariany any ivohony.

16 Ny lahatenin'ny adala, toy ny entana fitondra mivahiny; fa amin'ny molotry ny manan-tsaina no misy ny mahafinaritra.

17 Ilaina eo am-piangonana, ny vavan'ny olon-kendry, ary saintsainina ao am-po ny teniny.

18 Ny fahendrena dia trano rava ho an'ny adala, ary ny fahaizan'ny adala, dia teny tsy mifandray akory.

19 Amin'ny adala ny fampianarana, toy ny gadra amin'ny tongotra, sy famatorana amin'ny tanana ankavanana.

20 Ny adala mitokalakalaka ery, raha mihomehy, fa ny olon-kinga kosa mitsiky kely foana tsy re.

21 Amin'ny olona manan-tsaina ny fampianarana sahala amin'ny firavaka volamena sy fehin-tanana amin'ny tanana ankavanana.

22 Raha miditra an-trano, ny adala manao dia faingana, fa ny olon-kendry kosa miahotra toa tsy sahy eo am-pidirana.

23 Ny adala miondrika hanarangarana ny ao an-trano, eo am-baravarana, fa ny olona tsara taiza kosa, mijanona any ivelany.

24 Tsy fahaiza-miaina ho an'ny olona, ny mihaino eo am-baravarana; ka mahatezitra ny manan-tsaina, ny asa mahamenatra toy izany.

25 Ny molotry ny adala, tsy manonona afa-tsy hadalana; fa ny tenin'ny olon-kendry kosa, voalanja amin'ny mizana.

26 Ny fon'ny adala dia eo am-bavany, fa ny fon'ny hendry kosa, dia ny vavany.

27 Raha manozona ny fahavalony ny ratsy fanahy, dia manozona ny tenany ihany.

28 Mandoto tena ny mpitati-bolana, ka ankahalain'ny olona rehetra manatona azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0472