Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-22

1 Sahala amin'ny vato feno maloto ny kamo, ka akorain'ny olona rehetra ny fahafaham-barakany.

2 Sahala amin'ny vonga-taim-biby ny kamo, ka izay mandray azy manifikifi-tanana.

3 Ny zazalahy ratsy taiza, dia henatra ho an'ny rainy niteraka azy, ny zazavavy torak'izany, latsaka an-tany ho fanimbana azy.

4 Ny zazavavy malina hahazo vady; fa izay ahazoan-kenatra kosa, mampalahelo ny rainy.

5 Ny vehivavy tsy valahara, henatra ho an-drainy sy ny vadiny, ka samy hanamavo azy izy roa tonta ireo.

6 Sahala amin'ny mozika amin'ny fisaonana, ny lahateny tsy amin'ny fotoana, fa ny tsora-kazo amam-pamaizana, dia fahendrena, amin'ny fotoana rehetra.

7 Ny mampianatra adala, dia mamitrana vilany tany vaky, (milaza zavatra amin'ny tsy mihaino) dia mamoha olona rendrika lalina amin'ny torimaso.

8 Miteny amin'ny olona matory ny miresaka amin'ny adala, farany izy vao hanontany hoe: Ahoana hoe a?

9 Itomanio ny maty, fa tsy manam-pahazavana, itomanio ny adala, fa tsy manan-tsaina. Ny maty itomanio moramora, satria mahazo fitsaharana, fa ny fiainan'ny adala no ratsy noho ny fahafatesana.

10 Ny fisaonana ny maty, maharitra hafitoana; fa ny an'ny adala sy ny mpankahala fivavahana, mandritra ny andro iainany.

11 Aza lava resaka amin'ny adala, ary aza miara-mandeha amin'ny olona tsy misy saina. Mitandrema tena aminy, raha tsy te-hahazo hasosorana, dia tsy ho voaloton'ny fifandraisana aminy hianao. Mihodivira aminy, dia hahita fitsaharana hianao, sy tsy hahazo alahelo amin'ny fahitana ny hadalany.

12 Inona no mavesatra noho ny firaka? ary inona no anaran-kafa azo omena azy, afa-tsy ny hoe adala?

13 Ny fasika, ny sira, ny vongam-by, dia mora entina kokoa noho ny olona tsy manan-tsaina.

14 Ny fitambaran'ny hazon-tafo tsara rafitra, tsy mba hosarahin'ny horohoron-tany: toy izany ny fo miraikitra amin'ny fikasana voahevitra tsara, tsy mba hanan-tahotra, na avy aza ny fotoana sarotra.

15 Ny fo miankina amin'ny hevi-pahendrena, dia toy ny lalotra voaharo fasika amin'ny rindrina voalama.

16 Tsy maharitra ny rivotra ny arofanina an-tampon'ny avo, tsy mahatoha ny tahotra toy izany koa ny fo saro-tahotra mbamin'ny fikasany.

17 Ny maneritery maso, mampilatsa-dranomaso; ny maneritery fo, manetsik'alahelo.

18 Ny mitora-bato ny vorona, mampandrositra azy, ny mandatsa ny sakaiza amin'ny soa natao taminy, manapaka ny fihavanana.

19 Nanatsoaka sabatra hamely ny sakaizanao va hianao? Aza manary toky: fa mbola mety hisy ihany ny hiverenany.

20 Niloa-bava hamely ny sakaizanao va hianao? aza matahotra: mbola azo hatao ny mihavana indray. Fa raha latsa ny amin'ny soa natao kosa, na ny eso an'avonavona; na ny fanambarana ny zava-miafina, na ny famelezan'ny lela mamitaka, dia mampandositra ny sakaiza rehetra izany.

21 Aza mivadibadika amin'ny sakaizanao ao anatin'ny fahantrany, mba hiarahanao miarana aminy, amin'ny fanambinana azy. Aza mandao azy amin'ny andro fitsapana azy, mba hanananao anjara amin'ny fananana ho tonga aminy.

22 Misondrotra alohan'ny afo, ny etona avy amin'ny memy sy ny setroka; mipoaka alohan'ny fandatsahan-dra koa ny teny manala baraka.

23 Tsy hahamenatra ahy ny miaro ny sakaizako; ary tsy hiery aho eo anatrehany.

24 Ka raha avy izay manjo ahy, amin'ny ataony, izay handre izany dia hitandrin-tena aminy avokoa.

25 Iza no hanisy fiambenana eo amin'ny vavako, sy fitomboka malina eo amin'ny molotro; mba tsy ho lavo aho noho ny amin'ireo, ka tsy ho verin'ny lelako?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0366